Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tena ilaina indrindra ny fahasoavan'Andriamanitra

Daty
Alahady 22 September 2024

"Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako." - 1 Kôr. 9:16. 

Mofon’aina:
Mahatonga antsika hanana firaisana isan'andro amin'Andriamanitra ny fiovam-po tena izy. Hisy ny fakam-panahy hosetraina, ary riana mahery no misintona antsika hiala amin'Andriamanitra hiverina amin' ny toetry ny tsy firaihana nisy antsika teo aloha sy ny fanadinoana an'Andriamanitra noho ny fahotana. Tsy hain'ny fon'olombelona ny hijoro amin'ny heriny raha tsy eo ny fahasoavan'Andriamanitra. (…) Raha tsy mifikitra mafy amin'Andriamanitra ny fo iray ary mihazona azy mafy koa Andriamanitra, dia ho tonga matoky tena izy ka hisandratra, ary azo antoka fa ho tafintohina ka hianjera. Ny herin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny finoana no nianteheran'i Paoly: "(...) tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko" - Gal. 2:20. "Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:26,27.

Nanahy mandrakariva i Paoly fandrao handresy azy ny fironana ho amin'ny ratsy; nahatonga azy nitolona mandrakariva izany ka nanohitra mafy (...) ny fitiavan-komana sy ny filana ambany. Raha nangovitra tahaka izany teo anoloan'ny fahalemeny ilay apôstôly lehibe, iza kosa no manan-jo hitoky amin'ny tenany sy hirehareha? (…)

Ny vavaka no hany fiarovana azo antoka manoloana ny fahotana malaky mahazo antsika, vavaka isan'andro sy isan'ora. (...) Amin'ny fiambenana sy ny hafanam-po ihany no amelombelomana antsika amin'ny firaisana amin'Andriamanitra. Manan-danj a ny vavaka, ary tsy tokony hiandry ny fihetsehampo isika vao hivavaka, hivavaka amin'ny fo tokoa, na irintsika ny hanao izany na tsia. Misokatra handray ny vavaka ataontsika ny lanitra. Ny vavaka no fantsona izay mitondra ny fankasitrahantsika sy ny fanirian'ny fanahy ny fitahian' ny lanitra ho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, mba hiverenan'izany amintsika tahaka ny ranonorana mamelombelon'ny fahasoavan'Andriamanitra (...). Raha mba betsaka kokoa mantsy ny fotoana lanintsika amin'ny fandohalehana ary mihena kokoa ny fotoana anaovantsika drafitra ho an'ny tenantsika sy iheveran-tsika fa hahavita zava-dehibe isika!- TDG, t. 277. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal