Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanandramana kristianina velona 

Daty
Talata 08 October 2024

"Manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha." - Apôk . 3:18,19.

Mofon’aina :
Tsy maintsy manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin'ny asa maty isika mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona. Ny atao hoe fanamasinana dia fitiavana tanteraka, fankatoavana tanteraka, firindrana tanteraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Raha mifandrindra amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainantsika, ka voamasina ny saina sy ny fanahy ary ny tenantsika, dia hanana hery miasa mangina lehibe amin'izao tontolo izao isika. Tsy tanteraka isika, kanefa tombon-tsoantsika ny miala amin'ny famatoran'ny "izaho" sy ny "fahotana", ka handroso ho amin'ny fahatanterahana. (...)

Mety hahavita zava-dehibe, hahatratra tanjona ambony sy masina, izay rehetra manana finoana marina. Tsy aleontsika ve manosotra odi-maso amin'ny masontsika mba hahitantsika izao zava-mahagaga natao manoloana antsika izao? Nahoana no tsy itolomantsika amim-paharetana sy amim-bavaka izany sady mandroso miakatra hatrany isika mandra-pahatonga antsika amin'ny fahamasinana? Mpiara-miasa amin'Andriamanitra isika, ary tsy maintsy miara-miasa amim-pirindrana isika samy isika, ary isika sy Andriamanitra, "fa Andriamanitra no miasa ao [anatintsika] na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." —Fil. 2:13. (...)

Tsy mahafaly an'Andriamanitra ny mahita antsika osa ara-panahy. "Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesôsy Kristy. Fa manana izao rakitra izao amin 'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay." — 2 Kôr. 4:6,7. Manana ady sy fitsapana hatrehina isika, kanefa aoka tsy hihemotra na ho kivy. (...)

Raha miezaka fatratra isika hanatratra ny fahamasinana, sady matoky an'Andriamanitra, dia ho azontsika izany. Ary amin'ny maha-vavolombelon'i Kristy antsika dia natao hampahafantatra amin'ny hafa ny fahasoavan'Andriamanitra niasa tao anatintsika isika.

Ny fisalasalana ihany no tena tokony hotandremantsika fatratra. Ny vokatry ny fahamarinana dia fiadanana sy toky mandrakizay. Aoka isika hanana fahatsorana sy fahitsiam-po araka an'Andriamanitra. Tsy maintsy hananantsika ny fahendrena avy any ambony. UL, t. 99. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal