Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tokim-pamonjena ao anatin'ny ady

Daty
Alarobia 23 October 2024

 "Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehôvah , Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. " - Isa. 43:1. 

Mofon’aina:
Aoka hesorina ny sakana rehetra tsy hahavoavonjy ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny fanokafana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fampisehoana mazava ny "izao no lazain 'i Jehôvah". Natao hamirapiratra ny fahazavana satria mandrakotra ny tany sy ny olona ny haizina. Natao hiavaka tsara amin'ny fahadisoana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra velona. Torio ny vaovao mahafaly hoe: manana Mpamonjy Izay nanolotra ny ainy isika mba tsy hisy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Hisy hanakantsakana ny fandrosoan'ny asan'ny Tompo, saingy aza matahotra. Ilay Andriamanitsika mahefa ny zavatra rehetra sy Mpanjakan'ny mpanjaka ary mitandrina ny fanekeny, dia Mpiandry tsara Izay mikarakara antsika amim-pitiavana ihany koa. Tsy misy mahasakana ny lalany. Tsitoha ny heriny ary izany no maha-azo antoka ny fahatanterahan'ny teny fikasany amin'ny vahoakany. (...)

Ny fiangonan'i Kristy no fitaovana ampiasain'Andriamanitra hitoriana ny fahamarinana, nomeny fahefana hanao asa manokana, ary raha mahatoky amin'Andriamanitra izy ka mankatò ny didiny rehetra, dia hitoetra ao aminy tokoa ny herin'Andriamanitra. 

(...) Raha milefitra marina amin'ny sitrapon'Andriamanitra izy dia tsy haharesy azy ny herin'ny fahavalo (...).

Hiposaka amin'ny fiangonana ny maraina mamiratra sy be voninahitra, raha handray ny akanjom-pahamarinan'i Kristy izy ka hiala amin'ny fileferana amin'izao tontolo izao. Izao no fotoana tokony hiaiken'ny fiangonana ny fahadisoany sy hiraisany hina. Ranadahy sy rahavavy, aza avela hisy hampisara-bazana anareo na hampiala anareo amin'Andriamanitra. Aza miresaka tsy fitovian-kevitra, fa miraisa ao amin'ny fitiavana ny fahamarinana araka izay hita ao amin'i Jesôsy. Mankanesa eo anatrehan'Andriamanitra ka ny ran'i Jesôsy no ento mangataka fanampiana ho amin'ny ady atao amin'ny ratsy. Mahazo matoky ianareo fa tsy ho very maina izany vavaka izany. (...)

Miverena amin'ny Tompo, ry mpifatotra manana ny fanantenana. Katsaho ny hery avy amin'Andriamanitra velona. Manàna finoana tsotra, tsy miovaova, mitokia amin'ny heriny sy ny fahavononany hamonjy. Avy amin'i Kristy no hikorianan'ny reniranon'ny famonjena. Izy no loharanon'ny fiainana sy ny hery rehetra. — UL, t. 265. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal