Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manomboka eto an-tany ny fanompoana an'Andriamanitra 

Daty
Alakamisy 24 October 2024

"Mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba , na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza, dia amin'ny hisehoan’i Jesôsy Kristy." - 1 Pet. 1:7. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy iharan'ny sazin'ny fandikan-dalàna izay miasa   manohitra ny lalàn'ny zavaboary. Nefa miantra antsika ny Mpamonjy na dia ny vokatry ny toetra ratsintsika ihany aza no mankarary antsika. Misy hery mahasitrana antsika ao Aminy. (…) 

Hita hatraiza hatraiza ny vokatry ny ozon'ny fahotana. Aoka isika hidera an'Andriamanitra fa any amin'ny tany vaovao dia "tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy" — Apôk. 22:3. Vitsy monja no tena mahafantatra ny atao hoe fanompoana marina. (...) Mba hahaizantsika manompo ny Andriamanitry ny lanitra dia tsy maintsy manompo Azy ankehitriny isika, mifankazatra Aminy sy mianatra mba ho mpanompo mahatoky. (...)

Tombon-tsoantsika ny mahatakatra ny Teny masin'Andriamanitra. Marina fa efa lavo isika, kanefa tsy natao hitoetra ao anatin'ny fahotana. Nomena antsika ny fomba handresena, "Fa toy izao no nitiavan 'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:16. (...)

Ho avy ny fakam-panahy. Rehefa manaloka ny lalantsika eo aloha ny haizina mahatsiravina alefan' i Satana, dia aoka isika hamakivaky izany aloka izany amim-pinoana, mba hahatrarantsika Ilay fahazavan'ny fiainana — dia Ilay sady nahary ny olombelona no nanavotra azy tamin'ny rany koa. Lova sarobidin'i Kristy isika. Amim-pinoana velona no tsy maintsy iarahantsika miasa Aminy hahatanteraka ny famonjena antsika. Mihazona sy manohana antsika ny tanany ao anatin'ny fitsapana sy ny fakam-panahy. (...)

Ireo izay mamikitra amin'ny finoana hatramin'ny farany no ho tafavoaka ao amin'ny afon'ny memy, toy ny volamena voadio impito. Izao no ambaran'i Isaia momba izany: "Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena au any Ofira aza." Isa. 13:12. (...) Tsarovy fa misy Anankiray manaraka ny fihetsikao rehetra, mba hahitany raha ho afaka aminao tanteraka ny tain-drendrika, hatramin'ny farany bitika indrindra. — UL, t. 292. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal