Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manana fanantenana mahafinaritra isika

Daty
Alarobia 27 November 2024

" (...) Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory." - Heb. 13:5. 

Mofon’aina:
Ity fiainana ity no hany ananantsika, ary amin'ny fifandraisantsika isan'andro amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesôsy Kristy Tompo sy ao Aminy, dia mahazo fanampiana mandrakariva isika eo am-panatanterahana ny asa izay haneho an'i Kristy amin'izao tontolo izao. Mety tsy hananantsika ny haren'ny tany izay manamora ny fiainana sy mampiadana ny sasany, saingy manana fanantenana mahafinaritra isika, izay nomen'i Kristy ireo mpianany nino (...). Hoy Izy tamin'izy ireo: "Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (...), dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." — Jao. 14:1-3.

Tsara re izany teny izany! Afaka mandray Azy ao am-pontsika isika, dia ho fanantenana sy herim-po ary fahasoavana mamelona antsika Izy. Tian'ny Tompo hitoky tanteraka Aminy isika. Ary amim-pahatsorana no inoantsika fa hotanterahin'i Kristy amintsika ny teny fikasany rehetra. (...)

Tsy misy mahafaly ny Mpamonjy toy ny hoe mino ny teny fikasany isika. Afaka miantefa aminao ny famindrampony, ary ny vavakao tonga any Aminy. (...) Aoka hoentintsika eo amin'i Jesôsy Kristy ny olantsika rehetra, fa hanampy antsika Izy. 

Arakaraky ny itondrantsika ny fangatahantsika eo amin'ny seza fiandrianany, no maha-azo antoka ny fandraisantsika tsy tapaka ilay fahasoavana lehiben'i Jesôsy Kristy Tompontsika. Tsy ny finoana no manome hery anao eo am-pandehanana, fa mahazo hery sy toky kosa ianao satria manana Mpitarika eo anilanao, ary afaka mangataka Aminy amim-pinoana mba hitarika ny dianao ho amin'ny lala-marina.

Dia matokia ny fitarihan'ny Tompo Jesôsy anao ho amin'ny lala-marina isaky ny indray mandingana. (...) Hihazakazaka ianao fa tsy ho sasatra; handeha nefa tsy ho reraka, satria tsapanao amin'ny alalan'ny finoana fa eo an-tanan' i Kristy ny tananao. Tsy ho resin'ny hakiviana ianao, satria araka ny androsoanao amin'ny fahalalana ny Tompo sy itokianao Aminy, no hahazoanao antoka fa manampy anao mandrakariva IIay tsy mandao na mahafoy mihitsy izay mitoky tanteraka Aminy. — UL, t. 320. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal