Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nanome Môdely i Jesôsy

Daty
Alahady 03 November 2024

 "Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriarnanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo." - Kôl. 3:3,4 

Mofon'aina:   
Aoka hamirapiratra amin'ny asa tsara ny fahazavanao. "Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona." -Mat. 5:13. Manahy aho fa maro no ao anatin'izany. Tsy mitovy ny asa tokony hataon'ny rehetra; toe-javatra sy talenta samy hafa no mamaritra ny tsirairay ho amin'ny sokajin'asa samy hafa ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo. Misy ireo izay manana andraikitra lehibe kokoa noho ny hafa kanefa samy nomena ny asany avy ny tsirairay, ary raha manao ny asany amim-pahatokiana sy amim-pahazotoana izy dia mpitantam-pananana mahatokin'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Tsy ny hamirapiratan'ny fahazavanao mba hideran'ny olombelona anao noho ny teny na ny asa soa ataonao no fikasan'Andriamanitra, fa ny hanomezam-boninahitra sy hanandratana ilay Mpanao ny soa rehetra. Nanome môdelin-toetra tokony harahin'ny olombelona i Jesôsy teo amin'ny fiainany. Hoy Izy: "Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany." - Jao. 4:34. Raha manana izany fanoloran-tena ho amin'ny asan'Andriamanitra izany isika ka tsy mikendry afa-tsy ny hahazoany voninahitra, dia ho azontsika atao ny hiara-miteny amin'i Kristy hoe: "Izaho tsy mitady ny voninahitro" - Jao. 8:50. (...) Ireo izay maneho ny taratry ny fahazavan'Andriamanitra dia hikolokolo toetra be fitiavana. (...) Ho mora fo izy ireo ary hahafoy tena, hiasa amin'ny fitiavana mivaivay ho famonjena fanahy maro. (...)

Ireo mpitondra fahazavana marina dia hanazava ny lalan'ny hafa. Aoka ireo izay miantso ny anaran'i Kristy hiala amin'ny faharatsiana rehetra. Raha manao araka izay takin'Andriamanitra ianao ary manaiky handray ny fitiavany sy ho fenon'ny fahatanterahany, dia hijery anao ny ankizy sy ny tanora (...) ka hahita ny fampiharana ny toe-panahy araka an'Andriamanitra; ary amin'izany no hahatonga anao ho fitaovana hitarika azy ireo ho amin'ny lalan'ny fankatoavana an'Andriamanitra. Hery miasa mangina izay voazahan'Andriamanitra toetra no hampiasainao amin'izany (...). - RC, t. 41. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal