Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nanome Môdely i Jesôsy

Daty
Alahady 03 November 2024

 "Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriarnanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo." - Kôl. 3:3,4 

Mofon'aina:   
Aoka hamirapiratra amin'ny asa tsara ny fahazavanao. "Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona." -Mat. 5:13. Manahy aho fa maro no ao anatin'izany. Tsy mitovy ny asa tokony hataon'ny rehetra; toe-javatra sy talenta samy hafa no mamaritra ny tsirairay ho amin'ny sokajin'asa samy hafa ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo. Misy ireo izay manana andraikitra lehibe kokoa noho ny hafa kanefa samy nomena ny asany avy ny tsirairay, ary raha manao ny asany amim-pahatokiana sy amim-pahazotoana izy dia mpitantam-pananana mahatokin'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Tsy ny hamirapiratan'ny fahazavanao mba hideran'ny olombelona anao noho ny teny na ny asa soa ataonao no fikasan'Andriamanitra, fa ny hanomezam-boninahitra sy hanandratana ilay Mpanao ny soa rehetra. Nanome môdelin-toetra tokony harahin'ny olombelona i Jesôsy teo amin'ny fiainany. Hoy Izy: "Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany." - Jao. 4:34. Raha manana izany fanoloran-tena ho amin'ny asan'Andriamanitra izany isika ka tsy mikendry afa-tsy ny hahazoany voninahitra, dia ho azontsika atao ny hiara-miteny amin'i Kristy hoe: "Izaho tsy mitady ny voninahitro" - Jao. 8:50. (...) Ireo izay maneho ny taratry ny fahazavan'Andriamanitra dia hikolokolo toetra be fitiavana. (...) Ho mora fo izy ireo ary hahafoy tena, hiasa amin'ny fitiavana mivaivay ho famonjena fanahy maro. (...)

Ireo mpitondra fahazavana marina dia hanazava ny lalan'ny hafa. Aoka ireo izay miantso ny anaran'i Kristy hiala amin'ny faharatsiana rehetra. Raha manao araka izay takin'Andriamanitra ianao ary manaiky handray ny fitiavany sy ho fenon'ny fahatanterahany, dia hijery anao ny ankizy sy ny tanora (...) ka hahita ny fampiharana ny toe-panahy araka an'Andriamanitra; ary amin'izany no hahatonga anao ho fitaovana hitarika azy ireo ho amin'ny lalan'ny fankatoavana an'Andriamanitra. Hery miasa mangina izay voazahan'Andriamanitra toetra no hampiasainao amin'izany (...). - RC, t. 41. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal