Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba fitandremana ny Lalàna 

Daty
Talata 05 November 2024

"Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay." - Sal. 111:3 

Mofon'aina:
Ny tanamasoandro iray avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra, ny famirapiratana tokana avy amin'ny fahadiovan'i Kristy, raha miditra ao amin'ny fanahy, dia hampibaribary ny pentina (...) rehetra ao, ka hampihanjahanja ny tsy fetezana sy ny tsinin'ny toetran'olombelona. Ahoana moa no ahafahan'ny olona iray izay entina eo anoloan'ny fenitra masin'ny lalàn'Andriamanitra hirehareha ho manam-pahamasinana? (...) Miseho mazava tsara eo anatrehany ny tsy fahatokiany amin'ny fanaovany tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra, ka dia tsaroany tohina sy ory ny fanahiny noho ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra manindrona azy. Maharikoriko azy ny tenany, rehefa hitany ny fahalehibeazan' i Jesôsy Kristy, ny fiandrianany, ary ny toetrany madio tsy misy pentina.

Rehefa manetsika ny fo amin'ny heriny mahatalanjona izay mitondra fifohazana ny Fanahin' i Kristy, dia manjary misy fahatsapana tsy fahatanterahana ao amin'ny fanahy, izay mitarika ho amin'ny fo torotoro sy ny fanetren-tena (...).

Ny fanahy izay mandray izany fikasihana izany dia tsy hitafy na oviana na oviana ny fanamarinan-tena, na koa hihambo ho manam-pahamasinana; tsy izany, fa ho halany ny fitiavan-tenany sy ny fanaovana ny tenany ho zavatra ka hokatsahiny amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy izany fahadiovan'ny fo izay mifandrindra amin'ny lalàn'Andriamanitra sy ny toetran'i Kristy izany. Amin' Izay izy vao haneho taratra ny toetran'i Kristy, Ilay fanantenan'ny voninahitra. (...)

Amin'ny fanetren-tena sy ny molotra mangovitra no hanambarany hoe: "Tia ahy Izy. Nanolotra ny Ainy hamonjy ahy Izy. Tonga nahantra Izy mba hampanan-karena ahy amin'ny fahantrany. Tsy nanosi-bohon-tanana ahy ilay Lehilahy zatra fahoriana fa nandrotsaka ny fitiavany tsy mety ritra sy manavotra mba hampahadio ny foko; ary naveriny ho amin'ny fahatokiana amin'ny didiny rehetra sy ny fankatoavana izany aho. Ny fanafoanany ny Tenany, ny fanetren-tenany, ny fanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana no fahagagana izay mameno ny sary mahatalanjon'ny drafi-pamonjena. (...) Nataony izany rehetra izany mba hahatonga ahy hanana anjara amin'ny fahamarinany, mba hitandremako ny lalàna izay efa nodikaiko. Izany no antony iankohofako Aminy. Hanambara Azy amin'ny mpanota rehetra aho." - RC, t. 63. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal