Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hamasinina amin'ny finoana sy ny fankatoavana

Daty
Zoma 08 November 2024

"Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo." - Jao. 15:8 

Mofon'aina:
Maro no mihemotra eo anatrehan'ny fiainana tahaka izay niainan'ny Mpamonjy. Mihevitra izy ireo fa lehibe loatra ny fahafoizana takina aminy mba hanahafany ilay Môdely, sy hitondrany ny voan'ny asa tsara, ary hanekeny amim-paharetana ny fandrantsanan'Andriamanitra hahafahany mamoa bebe kokoa. Rehefa mijery ny tenany tahaka ny fitaovana tsotra eo an-tanan'i Kristy anefa ny Kristianina, rehefa miezaka mba hanao amim-pahatokiana ny adidy rehetra izy ary miantehitra amin'ny fanampiana nampanantenain'Andriamanitra, dia hitondra ny ziogan'i Kristy ary hahita fa maivana izany (...). Azony atao ny miandrandra amin-kerim-po sy amin-toky ka hilaza hoe: "fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro" - 2 Tim. 1:12.

Rehefa tojo zava-misakana ny lalantsika ary resintsika amim-pahatokiana izany; rehefa tojo fanoherana sy fanomezan-tsiny isika nefa mandresy amin'ny anaran'i Kristy; rehefa miantsoroka ny andraikitra sy manefa ny adidintsika araka ny toe-tsain'ilay Mpampianatra antsika isika -dia mahazo fahalalana sarobidy momba iny fahatokiany sy ny heriny tokoa. Tsy miantehitra amin'ny fanandraman'ny hafa intsony isika satria isika mihitsy no efa niaina ilay fanandramana. (...)

Arakaraka ny ibanjinantsika ny toetran'i Kristy, ary arakaraka ny iainantsika ny fanandraman'ny heriny mahavonjy no hahatsapantsika bebe kokoa ny fahalementsika sy ny toetrantsika tsy tonga lafatra, ary amin'izany no hanantenantsika Azy ho herintsika sy Mpanavotra antsika. (...) (...)

Rehefa mijery ny fiainan'ny olona izay nanana fitiavam-bavaka niavaka isika dia mihevitra matetika fa tsy mety ho tratrantsika ny fanandraman'izy ireo sy ny zava-bitany. Tsy izany anefa no izy. Maty ho an'ny rehetra i Kristy; ary manome toky antsika ny Teniny fa mihoatra lavitra noho ny fahavononan'ny ray aman-dreny ara-nofo hanome fanomezana tsara ho an'ny zanany ny fahavononany hanome ny Fanahiny Masina ho an' ireo izay mangataka izany.

Tsy tamin'ny fomba mahagaga tsy akory no nanefen'ireo mpaminany sy apôstôly toetra kristianina tonga lafatra, fa nampiasainy ireo fitaovana napetrak'Andriamanitra teo an-tanany, ary izay rehetra miezaka toy izany dia hahazo vokatra tahaka izay azon'izy ireo. - RC t. 97. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal