Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hamasinina amin'ny finoana sy ny fankatoavana

Daty
Zoma 08 November 2024

"Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo." - Jao. 15:8 

Mofon'aina:
Maro no mihemotra eo anatrehan'ny fiainana tahaka izay niainan'ny Mpamonjy. Mihevitra izy ireo fa lehibe loatra ny fahafoizana takina aminy mba hanahafany ilay Môdely, sy hitondrany ny voan'ny asa tsara, ary hanekeny amim-paharetana ny fandrantsanan'Andriamanitra hahafahany mamoa bebe kokoa. Rehefa mijery ny tenany tahaka ny fitaovana tsotra eo an-tanan'i Kristy anefa ny Kristianina, rehefa miezaka mba hanao amim-pahatokiana ny adidy rehetra izy ary miantehitra amin'ny fanampiana nampanantenain'Andriamanitra, dia hitondra ny ziogan'i Kristy ary hahita fa maivana izany (...). Azony atao ny miandrandra amin-kerim-po sy amin-toky ka hilaza hoe: "fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro" - 2 Tim. 1:12.

Rehefa tojo zava-misakana ny lalantsika ary resintsika amim-pahatokiana izany; rehefa tojo fanoherana sy fanomezan-tsiny isika nefa mandresy amin'ny anaran'i Kristy; rehefa miantsoroka ny andraikitra sy manefa ny adidintsika araka ny toe-tsain'ilay Mpampianatra antsika isika -dia mahazo fahalalana sarobidy momba iny fahatokiany sy ny heriny tokoa. Tsy miantehitra amin'ny fanandraman'ny hafa intsony isika satria isika mihitsy no efa niaina ilay fanandramana. (...)

Arakaraka ny ibanjinantsika ny toetran'i Kristy, ary arakaraka ny iainantsika ny fanandraman'ny heriny mahavonjy no hahatsapantsika bebe kokoa ny fahalementsika sy ny toetrantsika tsy tonga lafatra, ary amin'izany no hanantenantsika Azy ho herintsika sy Mpanavotra antsika. (...) (...)

Rehefa mijery ny fiainan'ny olona izay nanana fitiavam-bavaka niavaka isika dia mihevitra matetika fa tsy mety ho tratrantsika ny fanandraman'izy ireo sy ny zava-bitany. Tsy izany anefa no izy. Maty ho an'ny rehetra i Kristy; ary manome toky antsika ny Teniny fa mihoatra lavitra noho ny fahavononan'ny ray aman-dreny ara-nofo hanome fanomezana tsara ho an'ny zanany ny fahavononany hanome ny Fanahiny Masina ho an' ireo izay mangataka izany.

Tsy tamin'ny fomba mahagaga tsy akory no nanefen'ireo mpaminany sy apôstôly toetra kristianina tonga lafatra, fa nampiasainy ireo fitaovana napetrak'Andriamanitra teo an-tanany, ary izay rehetra miezaka toy izany dia hahazo vokatra tahaka izay azon'izy ireo. - RC t. 97. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal