Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana miasa

Daty
Sabotsy 09 November 2024

"Matokia an 'i Jehôvah amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny fahalalanao." - Ohab. 3:5 

Mofon'aina:
Raha milaza ny amin'ny hoe finoana isika dia misy famarafarana tokony hotsaroana. Misy izay inoan'ny saina nefa samy hafa mihitsy amin'izay atao hoe finoana. Na dia i Satana sy ny miaramilany aza dia tsy mahazo mandà velively akory ny fisian'Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahamarinan'ny teniny. Lazain'ny Baiboly fa `ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra' - Jak. 2:19, nefa tsy finoana izany. Ny tena finoana dia tsy finoana fotsiny ny tenin'Andriamanitra fa fanoavana ny sitrapony sy fanolorana ny fo ho Azy ary fanompanana ny fitiavana Aminy (...).

Misy olona izay efa nahalala ny fitiavan'i Kristy mamela heloka sady naniry marina tokoa ny ho tonga zanak'Andriamanitra, nefa tsaroany fa tsy mendrika ny fitondran-tenany, be tsiny ny toe-piainany, ka dia misalasala izy raha efa nohavaozin'ny Fanahy Masina ny fony na tsia. Amin'ny olona toy ireny dia hoy aho hoe: Aza mihemotra amin'ny famoizam-po. Tsy maintsy hiankohoka sy hitomany matetika eo an-tongotr'i Jesôsy isikanoho ny tsy fahombiazana sy ny fahadisoantsika nefa tsy tokony ho kivy. Ary na dia hoe resin'ny devoly aza isika dia tsy ariana, na afoy, na lavin'Andriamanitra. Sanatria! Eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra i Kristy manao fifonana ho antsika. (...)

Ary aza hadinoina koa ny tenin'i Kristy manao hoe: 'Fa ny Ray dia tia anareo.' - Jao. 16:27. Maniry anao ho tafaverina eo aminy Izy mba hahitany ny fahadiovana sy ny fahamasinan'ny tenany mitaratra eo aminao. (...) Mivavaha amin-kafanam-po bebe kokoa ary minoa amin-toky misimisy kokoa. (...)

(...) Ny fahalalantsika ny faharatsiantsika no manesika antsika hankeo amin'Ilay mahavela heloka. Ary raha ny fanahy izay mahatsiaro tsy fahombiazana no mitady an' i Kristy dia hiseho amin-kery amin'izany fanahy izany Izy. Arakaraka ny fanesiky ny fahantrantsika ho eo Aminy sy ho eo amin'ny Tenin'Andriamanitra no hiderantsika ny Toetrany sy hanahafantsika kokoa ny Endriny. -RC, t. 123. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal