Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tempolin'Andriamanitra

Daty
Talata 12 November 2024

 "Ary maty hamonjy ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an 'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy." - 2 Kôr. 5:15 

Mofon’aina:
Asan-tanan'Andriamanitra kanto indrindra ny olombelona, nohariany ho amin'ny tanjona ambony sy masina indrindra; ary faniriany ny hanoratra ny lalàny ao amin'ny lafiny rehetra amin'ny tabernakely olombelona (...) Tokony hotehirizina ho madio ny fanomezana nomena eo amin'ny hozatra sy ny nofo rehetra, ary ny saina sy ny vatana.

Ny fikasan'Andriamanitra dia ny hahatonga ny tenan'ny olombelona ho tempolin'ny Fanahiny. Andraikitra ambony no nankinina tamin'ny fanahy tsirairay. Mitarika ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy ny hery miasa mangina ananan'ny isam-batan'olona. Raha manimba ny tenanao ianao, dia tsy ianao ihany no iharan'ny voka-dratsy amin'izany, fa olona maro hafa koa. (...)

Maty i Kristy mba hamerenana indray amin'ny laoniny ny endrik'Andriamanitra sy ny toetrany eo amin'ny taranak'olombelona, mba hahazoan'ny lehilahy sy ny vehivavy anjara amin'ny toetran'Andriamanitra (...). Tsy tokony hampiasa ny herintsika ho amin'ny fahafaham-po feno fitiavan-tena isika satria Azy avokoa ny hery ananantsika. (...)

Ny fanompoan'ny tena manontolo no takin'Andriamanitra. Iriny raha ho tonga amin'ny tanjona izay nomeny hotratrariny ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy ampy raha toa ny ampahany sasany amin'ny tenan'olombelona ihany no ampiasaina. Tsy maintsy ampiasaina ny tena manontolo raha tsy izany dia tsy tomombana ny fanompoana atao. (...)

Andrasan'Andriamanitra ny hampiasan'ny olona ny fahaiza-misaina nomeny azy. (...) Tiany raha homen' izy ireo ny feon'ny fieritreretana ny toerana ambony indrindra notendrena ho an'izany. Tokony hokolokoloina ny hery ara-tsaina sy ara-batana, miaraka amin'ny fihetseham-po, mba hahefany be araka izay ambony indrindra mety ho tratrany. Amin'izany no hanehoana an'i Kristy amin'izao tontolo izao. (...)

(...) Kolokoloy àry ny finoana izay nomena anao. Aoka ianao hahery ka handresy ny fanao rehetra izay manimba ny tempolin'ny fanahy. Miankina tanteraka amin'Andriamanitra isika, ary matanjaka ny finoantsika rehefa matoky isika na dia tsy haintsika aza ny tanjon'Andriamanitra eo amin'ny fitondrany na koa izay ho vokatr'izany. Mampitodika antsika hiandrandra ny zavatra ho avy ny finoana, ka hifikitra amin'Ilay hany hery izay mahatonga antsika ho tanteraka ao Aminy. RC, t. 165. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal