Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainam-pivavahana tsara kokoa ao am-piangonana

Daty
Alahady 17 November 2024

"Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo." Jao. 3:7 

Mofon’aina:
Apetraka matetika ny fanontaniana hoe: nahoana no tsy misy hery loatra ao amin'ny fiangonana? Nahoana no tsy hita ao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra izay sarobidy tokoa? Izao no anton'izany: tsy voatandrina araka ny tokony ho izy ny fitakian'ny Tenin'Andriamanitra; tsy tiavina amin'ny fitiavana ambony indrindra Andriamanitra, ary tsy tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. (...) Aoka hiseho ny fankatoavana ireo fitsipika roa napetrak'Andriamanitra ireo dia tsy hisy fifandirana intsony ao am-piangonana, ary hisy firindrana ao amin'ny mpianakavy. Ivelambelany fotsiny no anatanterahan'ny maro izany ka ny fiseho ivelany no manjary maka ny toeran'ny asan'ny fahasoavana ao anaty. (...) Ny saina fotsiny no voaovan'ny fampianaran'ny fahamarinana fa ny tempolin'ny fanahy kosa tsy mbola voadio amin'ny sampiny. (...)

(…)Tsy hita eo amin'ny mambran'ny fiangonana ny fifandraisana velona amin'Andriamanitra izay tokony hananany mba hahafahany mamabo fanahy avy amin'ny maizina ho amin’ny mazava. Aoka ho tsara ny hazo dia ho tsara ny voany. Manan-danja ho an'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra ao am-po. Tsy maintsy mandray izany ao am-po ireo izay manaiky ny fahamarinana ary mamela Azy hanadio ny fony, izay izy vao afaka hitandrina ny didin'Andriamanitra (...).

Tsy dinihina araka ny tokony ho izy ny Baiboly ary tsy atao fitsipi-piainana. Raha mba narahintsika tsara ny fampianarany ary nataontsika fototra iorenan'ny toetra, dia ho tafajoro ny fanahy ka tsy hisy raharaham-barotra na raharahan'izao tontolo izao hampihozongozona azy. Ho tafajoro amin'ny andron'ny fitsapana sy ny zava-tsarotra ary ny loza ny toetra voavolavola tahaka izany sy tohanan'ny Tenin'Andriamanitra. (...)

(...) Osa isika, ary maro loatra no tsy mandray andraikitra eto anivontsika satria tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra; tsy mitoetra ao anatiny ny Mpamonjy ary tsy tsapany ny fitiavan'i Kristy izay vaovao isan'andro. Tsy misy fifandraisana eto an-tany mafy orina tahaka izany Fitiavana izany anefa, ary tsy misy na inona na inona azo ampitahaina aminy. - RC, t. 208. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal