Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanalahidin'ny hevitry ny Soratra Masina 

Daty
Alahady 01 December 2024

«Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.» - Jôba 19:25

Mofon’aina:
Ho an'ny zanak'Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin'ity «lohasaha aloky ny fahafatesana» ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin'ny teny fikasana momba ny fisehoan'Ilay «fananganana ny maty sy fiainana», izay hampody ilay noroahiny. Ny foto-pinoana momba ny fiverenan'i Jesôsy fanindroany no fanalahidin'ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatramin'ny andro izay nandiavan'ireo mpivady voalohany ilay lalam-pahoriana niala an'i Edena, dia efa niandry ny fiavian'Ilay Nampanantenaina hanamontsana ny herin'ny mpandringana sy hamerina azy ireo indray ho amin'ilay Paradisa efa very ireo zanaky ny finoana. (...) I Enoka, izay vao taranaka fahafito monja avy tamin'ireo nonina tao Edena, sy niara-nandeha telonjato taona tamin'Andriamanitra tety an-tany, dia navela hitazana ny fiavian'Ilay Mpanafaka. «Indro, hoy izy, tonga Jehôvah  mbamin'ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra» - Joda 14,15. Raha tao anatin'ny alim-pahoriana nahazo azy i Joba patriarka dia niteny tamin-toky tsy azo nohozongozonina hoe: «Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy ... Sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an 'Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa» -Jôba 19:25-27.

Andriamanitry ny fahasoavana rehetra anie hanazava tanteraka ny sainareo mba hahafahanareo mamantatra ny momba ny mandrakizay, ka amin'ny alalan'ny fahazavan'ny fahamarinana no hahafahanareo mahalala ny fahadisoanareo, izay betsaka tokoa, araka ny tena endriny, mba hahafahanareo manao ny ezaka ilaina hanalavirana azy ireo, ka eo amin'ny toeran'ny ratsy, ny voankazo mangidy dia afaka ny ho tonga voankazo sarobidy ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Ampilefero eo amin'Andriamanitra ny fonareo (...); mietre, ambany dia ambany eo an-tongony amin'ny toetrareo rotidrotiky ny fahotana. Atokany ho an'ny asa fiomanana ny tenanareo. Aza mitsahatra mandra-pahatonga anareo ho afaka hilaza hoe: velona ny Mpamonjiko, ary satria velona Izy dia ho velona koa aho.

Raha verinareo ny lanitra dia verinareo ny zava-drehetra; raha mahazo ny lanitra ianareo dia mahazo ny zava-drehetra. Miangavy anareo aho, aza mamita-tena. Iankinan'ny mandrakizay izany. — Ma, t. 13 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal