Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manamaivana ny fahoriana

Daty
Zoma 13 December 2024

 "Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana." — Mat. 10:7,8.

Mofon’aina:
Manoloana antsika ny fotoan'ny loza amin'atambo. (...) Karazana aretina maro no hihatra amin'ny taranak'olombelona, ary ny tsy fahalalana toy izao hita izao mikasika ny la1an'ny fahasalamana dia hahatonga fahoriana lehibe sy famoizana ain'olona maro izay tokony ho voavonjy (...)

Koa satria manohintohina ny fahafahan'ny firenentsika ny faneriterena ara-pivavahana, ireo izay hijoro ho amin'ny fahafahan'ny feon'ny fieritreretana, dia hapetraka amin'ny toerana tsy hahafahany manoatra loatra. Mahasoa azy ireo ny hanana faharanitan-tsaina, raha mbola misy koa ny tombon-tsoa azo hararaotina, hiatrehana ny aretina sy ny fototra niaviany, ny fomba fisorohana azy ary ny fitsaboana tokony hatao. (...) Marobe amin'ireo marary no hila fanampiana, tsy ireo mpiray finoana amintsika ihany fa indrindra indrindra ireo tsy mahalala ny fahamarinana.

Hitondra vokatra mahagaga ny asa fitsaboana ampiarahina amin'ny hafatry ny anjely fahatelo. Aoka izany ho asa manamasina, mampiray, mifanaraka tsara amin'ny asa izay nanirahan'Ilay Lohan'ny fiangonana ireo mpianatra voalohany.

Nanome iraka ho azy ireo i Kristy rehefa niantso azy ireo miaraka: "Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza mairnaimpoana". "Indro Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala." — Mat. 10:7,8,16.

(...) Nandeha namita ny iraka nampanaovin'i Kristy azy ireo mpianatra voalohany, koa nialoha lalana azy ireo ny Fanahiny. Natao ho tsapan'izy ireo fa raha mizara izao hafatra sy fitahiana izao izy ireo, dia tokony hahazo ny fandraisana mafana any amin'ny tokantranon'ny olona.

Amin'ny alalan'ny fanamaivanana ny fahoriana ara-batana no hanatraran' Andriamanitra ny fo. Rehefa milatsaka ao amin'ny saina ny voan'ny fahamarinana, dia Andriamanitra no manondraka izany. Faharetana be no mety hilaina mialoha ny hahaveloman' izany voa izany. Amin'ny farany anefa dia hiroborobo izany ary hitondra vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay. (...) — Ma, t. 185 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal