Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery hanoherana ny fakampanahy

Daty
Alakamisy 02 January 2025

« Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesôsy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » Lio. 3:21,22. 

Mofon’aina:   
Mety hahery ao amin’ny Tompo ireo izay mitonona ho mpianatr’i Kristy raha toa ka hararaotiny ny tombontsoa omena azy ireo amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Kristy. Tsy akaton’Andriamanitra ny lanitra ho an’ny vavaka ataon’ireo fanahy mibebaka amim-panetren-tena sy finoana. Tahaka ny vavaka nataon’i Kristy (tamin’ny batisany), dia azo antoka fa hipaka any an-danitra ankehitriny ny vavaka tsotra sy vokatry ny fo ataon’ireo olo- mahatoky. Nisokatra ho valin’ny vavaka nataon’i. Jesôsy ny lanitra, ary izany dia manambara amintsika fa afaka mihavana amin’Andriamanitra isika, ary voaorina amin’ny alalan’ny fahamarinan’Ilay Tompo sy Mpamonjy antsika io fifandraisana eo amintsika sy Andriamanitra io. Tonga olombelona i Jesosy kanefa nanana fifandraisana ety sy lalina tamin’Andriamanitra Izy. Nampifandraisiny tamin’ny maha-Andriamanitra Azy ny maha-olombelona Azy, ka manjary azontsika atao ny ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra, sy ho afa-mandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.

Ohatra ho antsika amin’ny zavatra rehetra i Kristy. Nosokafana ny lanitra ho valin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy, ary nidina teo Aminy tahaka ny voromailala ny Fanahy Masina ka nitoetra teo. Natao hifandray amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny Fanahy Masin’Andriamanitra ka hitoetra ao am-pon’ireo izay mankatô sy mahatoky. Handray fahazavana sy hery ireo izay mikatsaka izany marina mba hananany fahendrena hanoherana an’i Satana, sy handresena ny fakam-panahy. Natao handresy tahaka ny nandresen’i Kristy isika.

Natombok’i Kristy tamin’ny vavaka mafana ny asa fanompoany; ny ohatra nasehony dia mampiharihary fa ilaina tokoa ny vavaka hananana fiainana kristianina feno fahombiazana. Nifandray tsy tapaka tamin’ny Rainy Izy, ary ohatra tonga lafatra natao hotahafintsika ny fiainany. (...)

Miankina amin’Andriamanitra ny fahombiazantsika eo amin’ny fiainana kristianina, ary manokatra eo anoloantsika ny lalana mankeo amin’ny loharanon-kery tsy mety ritra ny oha-piainan’i Kristy, izay azontsika anovozana fahasoavana sy hery hanoherana ny fahavalo sy hahazoana ny fandresena. – ST, 24 Jolay 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal