Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery hanoherana ny fakampanahy

Daty
Alakamisy 02 January 2025

« Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesôsy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » Lio. 3:21,22. 

Mofon’aina:   
Mety hahery ao amin’ny Tompo ireo izay mitonona ho mpianatr’i Kristy raha toa ka hararaotiny ny tombontsoa omena azy ireo amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Kristy. Tsy akaton’Andriamanitra ny lanitra ho an’ny vavaka ataon’ireo fanahy mibebaka amim-panetren-tena sy finoana. Tahaka ny vavaka nataon’i Kristy (tamin’ny batisany), dia azo antoka fa hipaka any an-danitra ankehitriny ny vavaka tsotra sy vokatry ny fo ataon’ireo olo- mahatoky. Nisokatra ho valin’ny vavaka nataon’i. Jesôsy ny lanitra, ary izany dia manambara amintsika fa afaka mihavana amin’Andriamanitra isika, ary voaorina amin’ny alalan’ny fahamarinan’Ilay Tompo sy Mpamonjy antsika io fifandraisana eo amintsika sy Andriamanitra io. Tonga olombelona i Jesosy kanefa nanana fifandraisana ety sy lalina tamin’Andriamanitra Izy. Nampifandraisiny tamin’ny maha-Andriamanitra Azy ny maha-olombelona Azy, ka manjary azontsika atao ny ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra, sy ho afa-mandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.

Ohatra ho antsika amin’ny zavatra rehetra i Kristy. Nosokafana ny lanitra ho valin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy, ary nidina teo Aminy tahaka ny voromailala ny Fanahy Masina ka nitoetra teo. Natao hifandray amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny Fanahy Masin’Andriamanitra ka hitoetra ao am-pon’ireo izay mankatô sy mahatoky. Handray fahazavana sy hery ireo izay mikatsaka izany marina mba hananany fahendrena hanoherana an’i Satana, sy handresena ny fakam-panahy. Natao handresy tahaka ny nandresen’i Kristy isika.

Natombok’i Kristy tamin’ny vavaka mafana ny asa fanompoany; ny ohatra nasehony dia mampiharihary fa ilaina tokoa ny vavaka hananana fiainana kristianina feno fahombiazana. Nifandray tsy tapaka tamin’ny Rainy Izy, ary ohatra tonga lafatra natao hotahafintsika ny fiainany. (...)

Miankina amin’Andriamanitra ny fahombiazantsika eo amin’ny fiainana kristianina, ary manokatra eo anoloantsika ny lalana mankeo amin’ny loharanon-kery tsy mety ritra ny oha-piainan’i Kristy, izay azontsika anovozana fahasoavana sy hery hanoherana ny fahavalo sy hahazoana ny fandresena. – ST, 24 Jolay 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal