Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatona an’Andriamanitra amim-panajana.

Daty
Zoma 03 January 2025

« Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. » Lio. 11:2. 

Mofon'aina:
Mba hanamasinana ny anaran’ ny Tompo, dia ilaina ny hanonona amim-panajana ireo teny entintsika milaza ny Tsitoha. «Masina sy mahatahotra ny anarany» -Sal. 111:9. Na oviana na oviana dia tsy tokony hotononina sy atao maivamaivana foana ny anaram-boninahitr’Andriamanitra sy ny anarana fiantsoana Azy. Rehefa mivavaka isika dia ao amin’ny efitra be voninahitry ny Avo Indrindra no idirantsika; ary tokony ho amin’ny tahotra masina no hahatongavantsika eo anoloany. Ny anjely dia manarona ny tavany raha miseho eo anatrehany. Ireo kerôbima, ireo serafima masina sy mamirapiratra, dia manatona ny seza fiandrianany amin’ny fanajana feno. Koa amin’ny fanajana be lavitra manao ahoana izany no hisehoantsika (...)

Fa mihoatra noho izany ny atao hoe manamasina ny Tompo. Toy ireo Jiosy tamin’ny andron’i Kristy, mety haneho fanajana lehibe ho an’Andriamanitra ety ivelany isika, kanefa mandoto ny anarany hatrany. «Ny anaran’i Jehovah» dia «mamindra fo sy miantra, mahari-po, be famindrampo sy fahamarinana (...) mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana» - Eks. 34:5-7. Ary toy izao no voasoratra ny amin’ny fiangonan’i Kristy: «Ary izao no hanononana azy: JehoôvahFahamarinantsika» -Jer. 33:16. 

Koa izany anarana izany dia mipetraka eo amin’izay rehetra mpanaraka an’i Kristy. Izany no lovan’ny zanak’Andriamanitra. Fa ny anaran’ny Ray no iantsoana ny fianakaviana manontolo. Eny, tamin’ny fahoriana sy fahavoazana mafy nahazo ny Isiraely dia hoy ny fivavaky ny mpaminany Jeremia: «Ny anaranao dia efa nantsoina taminay; aza mandao anay» - Jer. 14:19. Izany anarana izany dia hamasinin’ny anjelin’ny lanitra, sy ny mponina eny amin’izao tontolo izao tsy mba lavo. Rehefa mivavaka ianao hoe: «Hohamasinina anie ny anaranao», dia mangataka ianao izany mba hohamasinina eto amin’ity tany ity ny anarany, ary hohamasinina ao aminao. Andriamanitra dia efa nanaiky teo anatrehan’ny olona sy ny anjely fa zanany ianao; koa mivavaha mba tsy hanalanao baraka «ny anarana tsara izay niantsoana anareo» - Jak. 2:7.

Ho solon-tenany no nandefasan’Andriamanitra anao ho eto amin’izao tontolo izao. Koa na inona na inona ataonao dia tokony hoentina mampiseho ny anaran’Andriamanitra. – S, tt. 95,96.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal