Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha amin’Andriamanitra hahazo ny hanina sahaza.

Daty
Sabotsy 04 January 2025

« Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. » Mat. 6:11.

Mofon’aina :
Toy ny zaza, dia isan’andro isan’andro ianao hivavaka hoe: «Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.» Aza matahotra raha tsy manana ny ampy ho an’ny ampitso ianao. Mijoro eo anatrehanao mandrakariva ny teny fikasana; fa «(...) honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.» - Sal. 37:3. Hoy i Davida: «Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina» - Sal. 37:25. (...) Ilay Anankiray efa nanamaivana ny enta-mavesatra sy ny tebiteby nahazo ilay reny mpitondra tena, ary nanampy izay ilaina tao amin’ilay tokantrano tao Nazareta, no miara-mitondra amin’ny reny rehetra izay mitolona amin’ny fitadiavan-tsakafo ho an’ny ankizy. (...) Misokatra hitahy ireny ny tanany, ary eto amin’ity fivavahana nomeny ny mpianany ity dia mampianatra antsika Izy mba hahatsiaro ny mahantra. (...) 

Tsy sakafo hahatanjaka ny tena ihany no ao anatin’izany fangatahana izany, fa ny sakafo ara-panahy koa, dia izay hamelona ny fanahy ho amin’ny fiainana mandrakizay. I Jesôsy no mibaiko antsika hoe: «Aza miasa hahazo hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay.» Ary hoy koa Izy: «Izaho no mofo velona, Izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy» - Jao. 6:27,51. (...)

Avy amin’ny Teniny no andraisantsika an’i Kristy, ary ny Fanahy Masina dia omena mba hanokatra ny Tenin’Andriamanitra amintsika mba hahazoantsika azy tsara sy hampiditra ny fahamarinana ao am-pontsika. (...)

Eo amin’ny fampianaran’Andriamanitra antsika hangataka isan’andro isan’andro izay ilaintsika, na ny fitahiana ara-nofo, na ny ara-panahy, dia misy fikasana tiany hotanterahina mba hahasoa antsika. Tiany hotsaroantsika tsara fa tsy maintsy miankina amin’ny fikarakarany tsy mijanona isika, fa mitady hanintona antsika ho eo amin’ny firaisana aminy Izy. Amin’izany firaisana amin’i Kristy izany, noho ny fivavahana sy ny fianarana ireo fahamarinana lehibe sy saro-bidy ao amin’ny Teniny, dia ho toy ny fanahy noana hovokisana isika; ho sahala amin’ireo mangetaheta isika ka higoka eo amin’ny loharanon’aina. – S, tt. 99,100.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal