Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha amin'ny anaran'i Jesôsy.

Daty
Talata 07 January 2025

"Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina." - 1 Jao. 2:1. 

Mofon’aina:    
Manana Solovava isika eo amin'ny seza fiandrianan' Andriamanitra, izay voahodidin'ny avan'ny fanekena, ary asaina isika hitondra ny fangatahantsika eo anatrehan'ny Ray amin'ny anaran'i Kristy. Hoy i Jesôsy: Angataho amin'ny anarako izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Ny fivavahanareo amin'ny anarako dia manambara fa tena ahy ianareo, zanako lahy sy zanako vavy, ary ny Ray hitondra anareo tahaka ny zanany sy ho tia anareo toy ny itiavany Ahy. Hahatonga anao hanam-pitiavana lalina Ahy sy ny Ray, toy ny fifankatiavan'ny ray sy ny zanaka, ny finoanao Ahy. Izaho no rojo volamena mampifandray ny fonao sy ny fanahinao amin'ny fitiavana sy fankatoavana ny Ray. Asehoy amin'ny Ray fa sarobidy aminao ny anarako, fa manaja sy tia ahy ianao, dia azonao angatahina izay tianao. Hamela ny helokao Izy ary handray anao ho isan'ny ankohonany — hataony zanak'Andriamanitra ianao, mpiara-mandova amin'ny Zanany Lahitokana.

Hohamasininy ianao amin'ny alalan'ny finoanao ny anarako. Izany fahamasinana izany no hahatonga anao ho afaka hanao ny asany ao anatin'ny tontolo feno fahotana, sy hahazo ilay lova mandrakizay ao amin'ny fanjakany. Tsy ny lanitra ihany no nosokafan'Andriamanitra fa ny fony manontolo ho an'izay mino ny sorona nataon'i Kristy sy izay mibebaka amin'ny finoana ny fitiavan' Andriamanitra. Mahazo mitaky ny haren-tsarobidin'ny lanitra, noho ny harem-pahasoavan'Andriamanitra, ireo izay mino an'i Kristy ho Mpitondra ny fahotany, ho Avotra noho ny fahotany, ho Mpanelanelana ho azy. (...)

Manokatra trano firaketana harena ny vavaky ny torotoro fo, ary mihazona hery tsitoha. Mahatongailaympangataka hahatakatra ny atao hoe mamikitra amin'ny herin'Andriamanitra sy mihavana Aminy ny vavaka toy izany. Mahatonga antsika hanana hery miasa mangina amin'ireo izay mifanerasera amintsika ny vavaka toy izany. (...) Tombontsoa sy adidintsika ny mitondra ny herin'ny anaran'i Kristy ao amin'ny fangatahantsika, sy ny mampiasa ireo tohan-kevitra nampiasain'i Kristy ho antsika. Dia hifandrindra tanteraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. — ST, 18 Jona 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal