Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sady mivavaka no miasa!

Daty
Alakamisy 09 January 2025

"Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka (..) dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanana misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany." - Neh. 2:4,5.

Mofon’aina:
Raha nangataka ny fanampian'Andriamanitra i Nehemia is tsy nanakombona ny tanany tamin'ny fahatsapana fa tsy misy anjarany na andraikiny ny fanatanterahany ny tanjony hanarina an'i Jerosalema. Tamim-pahamalinana sy tamim-pahaizana mitsinjo ny hoavy no nandrosoany tamin'ny fanaovana ny fandaminana rehetra nilaina hahazoana antoka ny fahombiazan'ny asa. (...) 

Tokony ho lesona ianaran'ny olon' Andriamanitra rehetra ny ohatr'io lehilahy masina io, ka tsy hoe hivavaka amim-pinoana fotsiny izy fa hiasa amin-jotom-po sy fahatokiana koa. Zava-tsarotra maro no efa natrehintsika; impiry no nosakanantsika ny asan'Ilay Mpiahy ho antsika, satria heverina ho tsy misy ifandraisany firy amin'ny fivavahana ny fahamalinana sy ny fahaiza-mitsinjo ny hoavy ary ny filofosana! Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Adidintsika ny mikolokolo sy mampiasa ny hery tsirairay hahatonga antsika ho mpanompon'Andriamanitra mahomby. Ny fandinihana tsara amim-pitandremana sy ny drafitra maty paika dia tena iankinan'ny fahombiazan'ny asa masina ankehitriny, toy ny tamin'ny andron' i Nehemia. (...)

Ireo izay vonona sy maniry hiasa dia hahita fomba hanaovana izany. Tsy niankina tamin'ny toe-javatra tsy azo antoka i Nehemia. Nangatahiny tamin'izay afaka nanome izany ireo fitaovana tsy nananany.

Manetsika ny fon' ireo mpanjaka sy mpanapaka mandrakariva ny Tompo ho fanampiana ny olony. Ireo izay miasa ho Azy dia tokony hanaiky ny fanampiana avy amin'ireo izay nohetsehin'Andriamanitra ny fony hanome ho fampandrosoana ny asany. Mety hanokatra lalana ireo mpanompo niavian'ny fanomezana ireo, hidiran'ny fahazavan 'ny fahamarinana any amin'ny firenena maro mahantra. Mety ho olona tsy mahafantatra ny asan'Andriamanitra akory ireny olona ireny, na manana finoana an'i Kristy, na mahalala ny Teniny; saingy tsy antony handavana ny fanomezany izany.

Nankinin'Andriamanitra tamin'ny olona, na tsy mpino izy na mpino, ny fananany (...). Raha mbola eto an-tany isika, raha mbola miasa amin'ny fon'ny olombelona koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia natao handray fanampiana sy hizara fanampiana isika. - SW, 15 Marsa 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal