Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha mba haneho ny fitiavan'i Kristy

Daty
Alahady 12 January 2025

"Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" - Rôm. 8:32.

Mofon’aina:
Rehefa nihantona teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka nijaly noho ny fahotan'ny olo-meloka, iza no mahatombana ny fitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao very? Tsy hay refesina ny fitiavany, mandrakizay.

Nasehon' i Kristy fa mahery noho ny fahafatesananyfitiavany. Nanatanteraka ny famonjena ny olombelona Izy; ary na tao anatin'ny ady mampatahotra indrindra tamin'ny herin'ny maizina aza Izy, dia nihanahery hatrany ny fitiavany (...). Tao anatin'ilay adim-panahy farany, rehefa notononina ilay teny toa nanakoako eran'ny voary manontolo hoe: "Vita", dia voaloa ny onitra ho fanavotana ny lehilahy sy ny vehivavy.

Tsy takatry ny saintsika ny lavany sy ny sakany, na ny haavo sy ny halalin' izany fitiavana izany. Tokony hameno ny fisainana ny fibanjinana ny halehiben'ny fitiavan'ny Mpamonjy tsy hita fetra, hanohina sy hampilefitra ny fanahy, hanadio sy hanandratra ny fihetseham-po, ary hanova tanteraka ny toetra manontolo. (...)

 Voafetra ny fomba fijerin'ny olona sasany momba ny fanavotana. Mihevitra izy ireo fa ampahany kely monja amin'ny famaizan'ny lalàn'Andriamanitra no niaretan'i Kristy. Araka ny eritreriny, rehefa nahatra tamin'Ilay Zanaka malala ny fahatezeran'Andriamanitra, tao anatin'ny fijaliany sy ny fahoriany rehetra dia nanana ny porofon'ny fitiavan'ny Rainy sy ny fankasitrahany i Kristy; ka namirapiratry ny fanantenana ny varavaram-pasana teo anoloany, ary niharihary taminy mandrakariva ny voninahiny ho avy. Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Ny nampahory indrindra an' i Kristy dia ny fahatsapany ny tsy fahafalian'ny Rainy. Lehibe loatra ny fahorian-tsainy vokatr'izany, hany ka vitsy monja no mahatakatra izany. (...)

 Tsy misy teny mahalaza io fitiavana io. Mihoatra ny fahalalana izany. Lehibe ny zava-miafin'ny fahamasinana. Tokony hamelombelona, hanandratra, hambabo ny fanahintsika ny lohahevitry ny fitiavan'ny Ray sy ny Zanaka ny taranak' olombelona. Tokony hianaran'ireo mpanara-dia an' i Kristy ny haneho taratra eto an-tany io fitiavana mifono zava-miafina io, mialoha ny hiarahany amin'ny voavotra rehetra manao hoe: "Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. " – Apôk. 5:13. — TFC, b. 2, tt. 212-215. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal