Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ento ho eo amin'i Jesôsy ny zanakao

Daty
Alakamisy 16 January 2025

"Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesôsy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny." - Mat. 19:13. 

Mofon’aina:
Tamin'ny andron'i Kristy dia nisy renim-pianakaviana nitondra ny zanany ho eo amin'i Jesôsy, mba hametrahany tanana sy hotsofiny rano. Tamin'izany fihetsika izany no nanehoan'izy ireo ny finoany an'i Jesôsy sy ny tebiteby lalina tao am-pony momba izay mahasoa ireto zanaka kely natao hahiny, ankehitriny sy amin'ny hoavy. Saingy tsy hitan'ny mpianatra izay tokony hanelingelenana ny Tompo mba hijereny zazakely; koa noroahiny ireo renim-pianakaviana ireo. I Jesôsy kosa nananatra ny mpianatra ary nandidy ny vahoaka hamela ireo renim-pianakaviana ireo sy ny zanany hanatona. "Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an 'ny toa azy ny fanjakan 'ny lanitra, " hoy Izy.

Raha nandroso teo amin' ilay lalana be vovoka ireto reny ireto ka nanatona ny Mpamonjy, dia hitany ny ranomasony nikoriana sy ny molony nangovitra nanao vavaka mangina ho an-janany. Reny ny fandrarana nataon'ny mpianatra ka narovany avy hatrany izy ireo. Nisokatra handray ny ankizy ny fony be fitiavana. Notrotroiny tsirairay ireo ka notsofiny rano, ary nisy anankiray resin-tory, niankina teo an-tratrany. Nanao teny nampahery ireo renim-pianakaviana ny amin'ny asany i Jesôsy, ary nanamaivana ers ny fahorian-tsain' izy ireo izany! Tamin'ny fifaliana manao ahoana no nisaintsainany ny fahatsaram-pon'i Jesôsy sy ny famindrampony raha nahatsiaro io fotoana tsy hay hadinoina io izy ireo! Nanaisotra ny vesatra tao am-pony ny teny mamy nataon'i Jesôsy, ary nitondra fanantenana sy herim-po vaovao ho azy. Nanjavona avokoa ny fahatsapana havizanana rehetra.

 Lesona mampahery ny reny amin'ny fotoana rehetra izany. Rehefa avy nanao ny tsara indrindra azony natao ho an-janany izy ireo, dia afaka mitondra azy ireo ho eo amin'i Jesôsy. Sarobidy eo imasony na dia ny zazakely eny an-trotroan-dreniny aza. Ary rehefa mitalaho fanampiana izay tsy hainy omena ny fon'ny reny, sy mangataka fahasoavana izay tsy hainy atolotra, ka miantoraka eo amin'ny sandrim-pamindrampon'i Kristy, dia handray sy hitahy azy ireo Izy, hanome fiadanana, fanantenana, ary fahasambarana ho an'ny reny sy ny zanany. – GH, Janoary 1880. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal