Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ento ho eo amin'i Jesôsy ny zanakao

Daty
Alakamisy 16 January 2025

"Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesôsy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny." - Mat. 19:13. 

Mofon’aina:
Tamin'ny andron'i Kristy dia nisy renim-pianakaviana nitondra ny zanany ho eo amin'i Jesôsy, mba hametrahany tanana sy hotsofiny rano. Tamin'izany fihetsika izany no nanehoan'izy ireo ny finoany an'i Jesôsy sy ny tebiteby lalina tao am-pony momba izay mahasoa ireto zanaka kely natao hahiny, ankehitriny sy amin'ny hoavy. Saingy tsy hitan'ny mpianatra izay tokony hanelingelenana ny Tompo mba hijereny zazakely; koa noroahiny ireo renim-pianakaviana ireo. I Jesôsy kosa nananatra ny mpianatra ary nandidy ny vahoaka hamela ireo renim-pianakaviana ireo sy ny zanany hanatona. "Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an 'ny toa azy ny fanjakan 'ny lanitra, " hoy Izy.

Raha nandroso teo amin' ilay lalana be vovoka ireto reny ireto ka nanatona ny Mpamonjy, dia hitany ny ranomasony nikoriana sy ny molony nangovitra nanao vavaka mangina ho an-janany. Reny ny fandrarana nataon'ny mpianatra ka narovany avy hatrany izy ireo. Nisokatra handray ny ankizy ny fony be fitiavana. Notrotroiny tsirairay ireo ka notsofiny rano, ary nisy anankiray resin-tory, niankina teo an-tratrany. Nanao teny nampahery ireo renim-pianakaviana ny amin'ny asany i Jesôsy, ary nanamaivana ers ny fahorian-tsain' izy ireo izany! Tamin'ny fifaliana manao ahoana no nisaintsainany ny fahatsaram-pon'i Jesôsy sy ny famindrampony raha nahatsiaro io fotoana tsy hay hadinoina io izy ireo! Nanaisotra ny vesatra tao am-pony ny teny mamy nataon'i Jesôsy, ary nitondra fanantenana sy herim-po vaovao ho azy. Nanjavona avokoa ny fahatsapana havizanana rehetra.

 Lesona mampahery ny reny amin'ny fotoana rehetra izany. Rehefa avy nanao ny tsara indrindra azony natao ho an-janany izy ireo, dia afaka mitondra azy ireo ho eo amin'i Jesôsy. Sarobidy eo imasony na dia ny zazakely eny an-trotroan-dreniny aza. Ary rehefa mitalaho fanampiana izay tsy hainy omena ny fon'ny reny, sy mangataka fahasoavana izay tsy hainy atolotra, ka miantoraka eo amin'ny sandrim-pamindrampon'i Kristy, dia handray sy hitahy azy ireo Izy, hanome fiadanana, fanantenana, ary fahasambarana ho an'ny reny sy ny zanany. – GH, Janoary 1880. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal