Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka ho antsika koa 

Daty
Zoma 17 January 2025

"Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiany." - Lio. 23:34. 

Mofon’aina:
Vahoaka be no nanaraka ny Mpamonjy nankeny Kalvary; maro tamin'izy ireny no naneso sy nanakora, ny sasany nitomany sady nitanisa ny zava-tsoa nataony. Ireo nositraniny ho afaka tamin'ny rofy isan-karazany sy ireo natsangany tamin'ny maty dia nankalaza ny asa tsara nataony tamin'ny feo feno fahasahiana, ary niezaka nanontany ny amin'izay nataon'i Jesôsy ka nandraisana Azy ho mpanao ratsy toy izao. (...)

Tsy nimonomonona na nitaraina i Jesôsy. Hatsatra sy feno fiadanana ny endriny, nefa nisy hatsembohana nipotrapotraka teo amin'ny handriny. Tsy nisy tanana nitsetra namafa ny andon'ny fahafatesana teo amin'ny tavany, tsy nisy nanao teny mitory firaisam-po sy fahatokiana tsy miovaova mba hanohana ny fony amin'ny maha-olombelona Azy. Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Izy; fa tsy mba nisy niaraka Taminy ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza. Rehefa nanao ny asany mampihoron-koditra ireo miaramila ka niaritra ny hirifiry faran'izay mafy indrindra i Jesôsy, dia nivavaka ho an'ny fahavalony Izy hoe: "Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony." - Lio. 23:34.

Tsy nisaintsaina ny fahorian'ny Tenany Izy fa nieritreritra momba ny heloka bevava vitan'ireto mpanenjika azy, sy ny vokany mahatsiravina nefa ara-drariny tsy maintsy hozakain'ireo. Nangoraka azy ireo Izy noho ny tsy fahalalany sy ny fahamelohany. Tsy nisy ozona notononiny ho an' ireto miaramila nanao herisetra Taminy; tsy nisy valifaty nokasainy ho an'ireo mpisorona sy mpanapaka, izay rangory fototry ny afo nahatonga ny fahoriany rehetra, kanefa izao mihoby noho ny nahatrarany ny tanjony. Famelan-keloka kosa no nangatahiny ho azy ireo —"fa tsy fantany izay ataony." (...)

Tsy namafa ny fahamelohany anefa ny tsy fahalalany, satria nanana tombontsoa hahafantatra sy hanaiky an'i Jesôsy ho Mpamonjy ny tenany izy ireo. Nolaviny ny porofo rehetra (...). Azon'i Kristy ny zo ho tonga Solovavan'ny taranak'olombelona eo anatrehan'ny Ray. Mandra-pahatonga ny farany dia mahafaoka izao tontolo izao ilay vavaka nataon'i Kristy ho an'ny fahavalony, anisan'izany ny mpanota tsirairay izay tokony ho velona. – SP, b. 3, tt. 152-154. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal