Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka ho antsika koa 

Daty
Zoma 17 January 2025

"Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiany." - Lio. 23:34. 

Mofon’aina:
Vahoaka be no nanaraka ny Mpamonjy nankeny Kalvary; maro tamin'izy ireny no naneso sy nanakora, ny sasany nitomany sady nitanisa ny zava-tsoa nataony. Ireo nositraniny ho afaka tamin'ny rofy isan-karazany sy ireo natsangany tamin'ny maty dia nankalaza ny asa tsara nataony tamin'ny feo feno fahasahiana, ary niezaka nanontany ny amin'izay nataon'i Jesôsy ka nandraisana Azy ho mpanao ratsy toy izao. (...)

Tsy nimonomonona na nitaraina i Jesôsy. Hatsatra sy feno fiadanana ny endriny, nefa nisy hatsembohana nipotrapotraka teo amin'ny handriny. Tsy nisy tanana nitsetra namafa ny andon'ny fahafatesana teo amin'ny tavany, tsy nisy nanao teny mitory firaisam-po sy fahatokiana tsy miovaova mba hanohana ny fony amin'ny maha-olombelona Azy. Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Izy; fa tsy mba nisy niaraka Taminy ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza. Rehefa nanao ny asany mampihoron-koditra ireo miaramila ka niaritra ny hirifiry faran'izay mafy indrindra i Jesôsy, dia nivavaka ho an'ny fahavalony Izy hoe: "Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony." - Lio. 23:34.

Tsy nisaintsaina ny fahorian'ny Tenany Izy fa nieritreritra momba ny heloka bevava vitan'ireto mpanenjika azy, sy ny vokany mahatsiravina nefa ara-drariny tsy maintsy hozakain'ireo. Nangoraka azy ireo Izy noho ny tsy fahalalany sy ny fahamelohany. Tsy nisy ozona notononiny ho an' ireto miaramila nanao herisetra Taminy; tsy nisy valifaty nokasainy ho an'ireo mpisorona sy mpanapaka, izay rangory fototry ny afo nahatonga ny fahoriany rehetra, kanefa izao mihoby noho ny nahatrarany ny tanjony. Famelan-keloka kosa no nangatahiny ho azy ireo —"fa tsy fantany izay ataony." (...)

Tsy namafa ny fahamelohany anefa ny tsy fahalalany, satria nanana tombontsoa hahafantatra sy hanaiky an'i Jesôsy ho Mpamonjy ny tenany izy ireo. Nolaviny ny porofo rehetra (...). Azon'i Kristy ny zo ho tonga Solovavan'ny taranak'olombelona eo anatrehan'ny Ray. Mandra-pahatonga ny farany dia mahafaoka izao tontolo izao ilay vavaka nataon'i Kristy ho an'ny fahavalony, anisan'izany ny mpanota tsirairay izay tokony ho velona. – SP, b. 3, tt. 152-154. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal