Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mibanjina an'i Jesôsy amim-bavaka

Daty
Alarobia 22 January 2025

"Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona." - Jao. 3:14.

Mofon’aina:
Feno olona nijaly sy niala aina nanerana ny tobin'ny Israely noho ny fanindronan'ny menarana mahafaty. Kanefa niteny avy tao amin'ny andry rahona i Jesôsy Kristy, ary nanome toromarika mba hahasitrana ny olona. Nomena toky izy ireo fa na iza na iza mijery ny menarana varahina dia ho velona; ary tanteraka ny teniny ho an'izay nijery. Fa raha misy olona manao hoe: "Inona no soa azo amin'ny fijerena? Ho faty tokoa aho noho ny fanindronan'ny menarana mahafaty"; raha mbola manohy miresaka momba ny ratrany mahafaty izy ireo, ka milaza fa tsy misy fanantenana, ary raha tsy mankatô amim-pahatsorana, dia ho faty. Fa izay rehetra nijery kosa dia velona. (...)

Tarihina ho amin'Ilay Dokotera lehibe ny saintsika ankehitriny. "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" Raha mbola mijery ny fahotantsika na miresaka sy miferin' aina momba ny fahantrantsika isika, dia hitoetra ny ratra sy ny ferintsika. Rehefa miala amin'ny tenantsika kosa ny fijerintsika, ka mibanjina Ilay Mpamonjy nasandratra isika, izay ihany vao mahazo fanantenana sy mahita fiadanana ny fanahitsika. Miteny amintsika ny Tompo, mibaiko hoe: "Mijere dia ho velona ianareo." "Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Fa izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:33-36.

Tsy misy antony tsy tokony hanantenantsika ny famonjena ny fanahintsika. Tao amin'i Jesôsy Kristy no efa vita ny zava-drehetra ho famonjena antsika. Tsy mampaninona izay fahotana vitantsika na tsy fahatanterahantsika; misy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida, hanafaka fahotana sy fahalotoana. "Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehôvah : Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy." Jehôvah no nanao ireo teny ireo. Hanaiky izany ve isika? Hino Azy ve isika? — ST, 2 Avrily 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal