Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaka, miara-mandeha amin'Andriamanitra

Daty
Alahady 26 January 2025

"Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka (...) ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. (...) Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra." — Gen. 5:22-24.

Mofon’aina:
Alohan'ny hiatrehana ny andraikitra andavanandro dia tokony hanandratra ny fanahy amin'ny vavaka isika. Io fanandratana mangina io dia ho toy ny fofo-manitra eo anatrehan'ny seza fiandrianan'Ilay Be Voninahitra, ary mandrava ireo fandrik'ilay fahavalo. Ny kristianina miray fo amin' Andriamanitra dia tsy ho resy. Tsy misy afaka mandrava ny fiadanany. Ireo tokin'ny Tenin'Andriamanitra, ny herin'ny voninahitr 'Andriamanitra, ny loharanon-keriny rehetra dia antoka ho fanavotana antsika. Toy izany no niarahan' i Enôka tamin'Andriamanitra. Andriamanitra no tokiny sady tsy nanary azy tamin'ny andro mahory.

 Ny vavaka no ain'ny fanahy. Io no tsiambaratelon'ny herin'ny finoana. Tsy misy ahazoana famonjena na feno ny fahatanterahana aza ny fanahy. Ny vavaka dia mampiray ny fanahy amin'Ilay Loharanon'ny fiainana; mampahery ny retsika sy ny hozatry ny fanantenan'ny finoana. Izay manao tsinontsinona ny vavaka na manao an-tsirambina ny azy dia manapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra

Mihena ny herin'ny vavahadin-tsain'ny finoana, ary malemy ny hery sy ny tanjaky ny fanandramam-pinoana.

 Ny hamenoan'Andriamanitra ny tsy fahatanterahana misy eo amin'ny olombelona no zava-tsoan'ny vavaka. Inona no zava-tsoa mihoatra noho izany, dia ny fifandraisana amin'ny Andriamanitry ny rehetra? olona malemy, mpanota no afaka miresaka amin'ny Mpamorona azy. Satrintsika aza hiresaka amin'Ilay Mpanjakan'ny tontolo tsy hita fetra. Afaka miresaka amin'i Kristy eny an-dalana izorantsika isika, ary miteny Izy hoe: «Eto ankavananao Aho.»

Afaka mifandray amin' Andriamanitra amin'ny fo isika, afaka miara-mandeha Aminy koa. Mandritra ny asantsika dia afaka milaza Aminy ny fihetseham-pontsika isika kanefa tsy ren'ny sofin'iza na iza. Tsy misy mahafantatra ny fihetseham-po. Afaka misandratra any ambonin'ny tabataban'ny lalambe sy ny firohondrohon'ny milina ny vavaka atao. Amin'Andriamanitra no iresahana ny vavaka ataontsika. — HT, t. 131. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal