Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voaovan'ny fifandraisana amin'Andriamanitra

Daty
Talata 28 January 2025

 "Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy." — 2 Kôr. 3:18.

Mofon’aina:
Nifindran'ny voninahitry ny fanatrehan'Andriamanitra ny tavan'i Mosesy, nandritra ny fotoana lava niarahany tamin' Andriamanitra. Ary tsy fantany, raha nidina ny tendrombohitra izy, fa ny tavany dia namirapiratry ny hazavana mitovy amin'izay nanazava ny tavan'i Stefana raha nentina hotsaraina tany Jerosalema izy taty aoriana, «ka ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny anjely» - Asa. 6:15.

«Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka indro namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy». Rehefa hitan'i Mosesy fa nisavoritaka be ihany sy natahotra ny olona, nefa tsy fantany ny antony, dia nantsoiny moramora hiverina teo aminy izy ka nasehony azy ny antoky ny fampihavanana teny an-tanany, ary nomeny toky fa haverina aminy indray ny fankasitrahan'Andriamanitra. Nisy ihany anefa sahy nanatona azy, nony farany, ary nihanahanan'ny tahotra ka tsy nahateny fa nanondro ny tarehin'i Mosesy sy ny lanitra fotsiny. Fantatr' ilay mpanafaka tamin' izay ny tiany holazaina, ka «nasiany fisalobonana ny tavany». Tsy nahajery ny fahazavan'ny lanitra izay tokony hampifaly azy ny Isiraely, noho ny fahatsapany ny fahadisoana vitany. (...)

Eo an-daniny dia mampianatra antsika ny toetra mendrika sy marina ananan'ny lalàn'Andriamanitra izany famirapiratana izany, ary eo ankilany kosa ny voninahitry ny Filazantsara voaseho ao amin'i Jesôsy Kristy.

Tsy ny vato fisaky ny lalàna ihany no nomena an' i Mosesy tamin'ny fotoana nijanonany tao an-tendrombohitra, fa naseho azy koa ny planan'ny famonjena. Fantany fa ny fombam-pivavahana sy ny tandindona rehetra teo amin'ny fisoronana jiosy dia nanambara ny sorona hataon'ny Mpamonjy. Ny fahazavan'ny lanitra nivoaka tao Kalvary ary tsy latsa-danja amin'izany koa ny fahazavan'ny lalàn'Andriamanitra no niara-nifindra teo amin'ny tavan'ilay mpaminany. Tandindon'ny voninahitry ny asa fisoronana, izay i Mosesy no masoivohon'Ilay hany tena Mpanalalana ka natao mpanelanelana hita maso, izany fahazavana izany. Tandindon'ireo soa natokana ho an'ny zanak'Andriamanitra izay mitandrina ny didiny koa izany, amin'ny alalan'ny fanelanelanana nataon'i Jesôsy Kristy. (...) — PM, tt. 316,317, ed. 2014.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal