Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò toa an'i Jesôsy.

Daty
Sabotsy 01 February 2025

"Fa izao no fitiavana an 'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." - 1 Jao. 5:3.

Mofon'aina:

Namela ohatra mazava tokony harahintsika ilay Zanaka lahitokan'Andriamanitra mandrakizay, tamin'ny alalan'ny teniny sy ny oha-piainany. Tamin'ny teniny no nampianarany antsika hankatà an'Andriamanitra, ary ny fomba fiainany no nanehoany tamintsika ny fomba ahafahantsika mankatà an'Andriamanitra. Izao no asa tena tiany hataon'ny tsirairay: ny hankatà an'Andriamanitra amim-pahendrena, ary ny hampianatra ny hafa amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny oha-piainana, izay tokony hataony mba ho zanak'Andriamanitra mpankatô.

Nornen' i Jesôsy fahalalana mazava ny amin'ny asa nanirahan' Andriamanitra azy izao tontolo izao. Ny hampiseho ny toetran'ny Ray amin'izao tontolo izao no nahatongavany; ary manampy antsika amin'ny lafiny rehetra, amin'ny fianarantsika ny fankatoavana an'Andriamanitra, ny fandinihantsika ny fiainan'i Kristy sy ny teniny ary ny asany. Ary rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika, dia tonga epistily velona fantatra sy vakin'ny olona rehetra. Isika no olombelona fitaovana maneho ny toetran'i Kristy amin'izao tontolo izao. (…)

Tokony ho velom-pisaorana an'i Jesôsy mandrakariva isika noho ny nanaporofoany teo amin'ny fiainany teto an-tany fa azontsika atao tsara ny mitandrina ny didin'Andriamanitra, ka notoheriny tamin'izany ny laingan'i Satana izay milaza fa tsy haintsika ny mitandrina ny lalàna. (...) Noporofoiny fa vitan'ny olona ny mankatà ny didin'Andriamanitra rehetra mandritra ny androm-piainany. Koa naniraka vahoaka ho amin'izao tontolo izao Izy, tahaka ny nanomezan'ny Ray ny Zanany, mba hampiseho eo amin'ny fiainan'izy ireo ny fiainan'i Kristy.

Noneran'i Kristy ny tsy fahombiazana sy ny fahalavoana mahamenatr'i Adama, ary nandresy Izy. Toy izany no anambarany amin'ireo tontolo tsy mbola lavo sy amin'ny taranak'olombelona lavo, fa noho ny hery sy fahefana nomena Azy avy any an-danitra dia afaka mitandrina ny didin'Andriamanitra ny olombelona. Nampietry ny Tenany ho antsika i Jesôsy, Ilay Zanak'Andriamanitra, niharan'ny fakam-panahy ho antsika Izy, nandresy ho antsika, mba hampiseho amintsika ny fomba ahafahantsika mandresy. Nifamatotra tamin'ny maha-olombelona tamin'ny fomba ety indrindra Izy, ary nanome toky fa tsy halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahantsika koa mba hahazakantsika izany. — ST, 17 Avrily 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal