Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò toa an'i Jesôsy.

Daty
Sabotsy 01 February 2025

"Fa izao no fitiavana an 'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." - 1 Jao. 5:3.

Mofon'aina:

Namela ohatra mazava tokony harahintsika ilay Zanaka lahitokan'Andriamanitra mandrakizay, tamin'ny alalan'ny teniny sy ny oha-piainany. Tamin'ny teniny no nampianarany antsika hankatà an'Andriamanitra, ary ny fomba fiainany no nanehoany tamintsika ny fomba ahafahantsika mankatà an'Andriamanitra. Izao no asa tena tiany hataon'ny tsirairay: ny hankatà an'Andriamanitra amim-pahendrena, ary ny hampianatra ny hafa amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny oha-piainana, izay tokony hataony mba ho zanak'Andriamanitra mpankatô.

Nornen' i Jesôsy fahalalana mazava ny amin'ny asa nanirahan' Andriamanitra azy izao tontolo izao. Ny hampiseho ny toetran'ny Ray amin'izao tontolo izao no nahatongavany; ary manampy antsika amin'ny lafiny rehetra, amin'ny fianarantsika ny fankatoavana an'Andriamanitra, ny fandinihantsika ny fiainan'i Kristy sy ny teniny ary ny asany. Ary rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika, dia tonga epistily velona fantatra sy vakin'ny olona rehetra. Isika no olombelona fitaovana maneho ny toetran'i Kristy amin'izao tontolo izao. (…)

Tokony ho velom-pisaorana an'i Jesôsy mandrakariva isika noho ny nanaporofoany teo amin'ny fiainany teto an-tany fa azontsika atao tsara ny mitandrina ny didin'Andriamanitra, ka notoheriny tamin'izany ny laingan'i Satana izay milaza fa tsy haintsika ny mitandrina ny lalàna. (...) Noporofoiny fa vitan'ny olona ny mankatà ny didin'Andriamanitra rehetra mandritra ny androm-piainany. Koa naniraka vahoaka ho amin'izao tontolo izao Izy, tahaka ny nanomezan'ny Ray ny Zanany, mba hampiseho eo amin'ny fiainan'izy ireo ny fiainan'i Kristy.

Noneran'i Kristy ny tsy fahombiazana sy ny fahalavoana mahamenatr'i Adama, ary nandresy Izy. Toy izany no anambarany amin'ireo tontolo tsy mbola lavo sy amin'ny taranak'olombelona lavo, fa noho ny hery sy fahefana nomena Azy avy any an-danitra dia afaka mitandrina ny didin'Andriamanitra ny olombelona. Nampietry ny Tenany ho antsika i Jesôsy, Ilay Zanak'Andriamanitra, niharan'ny fakam-panahy ho antsika Izy, nandresy ho antsika, mba hampiseho amintsika ny fomba ahafahantsika mandresy. Nifamatotra tamin'ny maha-olombelona tamin'ny fomba ety indrindra Izy, ary nanome toky fa tsy halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahantsika koa mba hahazakantsika izany. — ST, 17 Avrily 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal