Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Azo atao tsara ny mankatò

Daty
Alarobia 05 February 2025

"Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika." 1 Jao. 3:24.

Mofon’aina:
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." — Jao. 14:21. (...)

Raha tsy mety ho vitantsika ny mitandrina ny didin'Andriamanitra dia ho very avokoa izany isika. Kanefa araka ny fanekena natao tamin'i Abrahama, ny fanekem-pahasoavana, dia efa natao ny zavatra rehetra hahazoantsika famonjena. "Fahasoavana no namonjena anareo." "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." — Efes. 2:8; Jao. 1:12. (...) 

Tsy misy afa-tsy sokajin'olona roa eto amin'izao tontolo izao: ny mpankatò na olo-masina, ary ny mpandika lalàna na olon-dratsy. Rehefa napetraka hoentin'i Jesôsy ny fahadisoantsika, dia nisaina ho olon-dratsy sy natao isan'ny mpanota Izy. Nanjary Mpisolo antsika Izy, antoka ho antsika eo anatrehan'ny Ray sy ny mponin'ny lanitra manontolo. (...) Aoka hibanjina ny fiainan'i Kristy feno fietrena sy ny fahafatesany feno fahoriana isika; fa izay mendrika ny mpanota no natao Taminy. Tonga teto amin'izao tontolo izao Izy, tonga olombelona na dia Andriamanitra aza, mba hosedrain'Andriamanitra. Nanome ohatry ny fankatoavana tanteraka Izy teo amin'ny fiainany, ary amin'izany no ampianarany antsika fa azontsika atao tsara ny mankatò.

Nanoratra toy izao ny apôstôly: "hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an 'Andriamanitra sy Jesôsy Tompontsika. Efa nomen’ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany; ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban’Andriamanitra amin 'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna." — 2 Pet. 1:2-4. (...) Aoka ho mpiara-miasa Andriamanitra sy ny olombelona, dia hanoatra noho ny mpandresy ny olona lavo, amin'ny alalan'i Kristy Jesôsy. — ST, 24 Avrily 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal