Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafatra ho an'izao andro izao.

Daty
Alatsinainy 03 March 2025

"Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany." - Heb. 3:14.

Mofon’aina:
Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tanany ankavanana ho amin'ny lanitra ary nianiana tamin’zay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony." - Apôk. 10:5,6. Manambara ny fiafaran'ireo vanim-potoana ara-paminaniana io hafatra io. Nangidy tokoa ny fahadisoam-panantenana ho an'ireo niandry ny hahita ny Tompontsika tamin'ny 1844, dia ireo izay niandrandra fatratra ny fisehoany. Drafitr'Andriamanitra mihitsy ny nisehoan'io fahadisoam-panantenana io mba hanehoana marina izay tao am-pon'ny maro.

Tsy misy singan-drahona iray nianjera tamin'izany ka tsy nanomanany azy; tsy nisy hery nitsanga-kanohitra ny asany ka tsy efa hitany mialoha. (...) To ny fikasany rehetra. Mifamatotra amin'ny seza fiandrianany ny lalàny ka tsy misy herin'ny ratsy maharava izany. Andriamanitra no manainga sy miaro ny fahamarinana; ary handresy ny fanoherana rehetra izany.

Ny lalàna aseho eo amin'ny toetra no filazantsaran'i Kristy. Ny famitahana atao hanoherana izany, ny paikady rehetra hiarovana ny sandoka, ny fahadisoana rehetra volavolain'ireo mpiasan'i Satana, dia ho montsamontsana mandrakizay, ary hiseho tahaka ny masoandro amin'ny mitataovovonana ny fandresen'ny fahamarinana. Hamirapiratra miaraka amin'ny fanasitranana eo amin'ny elany ilay Masoandron'ny Fahamarinana, ary ho feno ny voninahiny ny tany rehetra. (…)

Ho velona indray ireo fifandirana nisy tany aloha, ary hisy hatrany ireo fampianarana vaovao. Nefa ireo vahoakan'Andriamanitra izay efa nanao ny anjarany tamin'ny fitoriana ny hafatry ny anjely voalohany sy faharoa ary fahatelo, noho ny finoany sy ho fanatanterahana ny faminaniana, dia mahalala ny laharana tokony hisy azy. Sarobidy lavitra noho ny tena volamena ny fanandramana Tainan' izy ireo. Tokony hijoro tsy azo hozongozonina tahaka ny vatolampy izy ireo, hihazona mafy ny fitokiany hatramin'ny farany. - S1M, b. 2, tt. 108,109.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal