Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miasa amim-pahatokiana, mampiasa fotoana amim-pahendrena

Daty
Talata 04 March 2025

"Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona." - Jao. 9:4.

Mofon’aina:
Nomen'i Kristy asa tokony hataony ny olombelona rehetra, ary tokony hanaiky ny fahendren'ny drafitra nataony ho antsika amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa Aminy amin-kafanam-po isika. Ao amin'ny fiainam-panompoana irery ihany no ahitana fifaliana tena izy. Fadiranovana tokoa ireo izay manana fiainana tsy misy antony sy feno fitiavan-tena. Tsy afa-po amin'ny tenany sy amin'ny hafa izy.

Ny mpiasa marina sy tsy tia tena ary feno fanoloran-tena dia mampiasa amim-pifaliana ny fanomezana ambony indrindra nomena azy amin'ny fanompoana ambany indrindra. Tsapany fa ny tena fanompoana dia midika ho fahitana ireo adidy asain' Andriamanitra ataontsika sy ny fanatanterahana izany.

Maro no tsy faly amin'ny asa izay nomen' Andriamanitra hataony. Tsy mahafa-po azy ireo ny manompo Azy amim-pifaliana eo amin'ny toerana notendreny hiasany, na ny manatanteraka tsy amim-pimonomononana ny asa nampiandraiketina azy.

Tsy mahadiso antsika ny maneho tsy fahafaham-po eo anatrehan'ny fomba anatanterahantsika ny adidy, saingy tsy tokony haneho tsy fifaliana. eo anatrehan'izany adidy izany isika noho ny faniriantsika hanao zavatra hafa eo amin'ny toeran'izany. Noho ny fahatsaran'Andriamanitra, dia napetrany eo anoloan'ny olombelona ny fanompoana izay ho fanasitranana ho an'ny fanahiny marary. Amin'izany no itarihany azy ireo hamela ireo fironana feno fitiavan-tena ao anatiny, izay raha ankamamiany dia hanaisotra aminy ny asa tokony homen'Andriamanitra azy. Raha manaiky sy manatanteraka izany fanompoana izany izy ireo dia ho sitrana ny fanahiny. Raha mandà kosa izy, dia miady amin'ny tenany sy amin'ny hafa.

Mametraka fitsipi-pifehezana ho an'ny mpiasany ny Tompo, mba hahatonga azy ireo ho vonona handray ny toerana notendreny ho azy. Iriny ny hamolavola ny fisainan'izy ireo hifanaraka amin'ny sitrapony. Noho izany indrindra no amelany azy ireo hozahan-toetra sy handalo fitsapana. Apetrany eo amin'ny toerana hiarovana azy tsy ho tratry ny fandriky ny baranahiny sy ny fahakamoana ny sasany; any no ampianarana ireny mpiasa ireny hahafantatra ny tombambidin'ny fotoana ka hampiasa izany amin'ny fomba tsara sy feno fahendrena indrindra. - MR 8: 422, 423.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal