Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sarobidy ny ora tsirairay.

Daty
Sabotsy 08 March 2025

 "Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao hianao?" - Ohab. 6:9. "Mandehana any amin'ny vitsika (...) Diniho ny fanaony, ka mba hendre." - and. 6.

Mofon’aina:
Tsy ilain'Andriamanitra ao amin'ny asany ny lehilahy sy ny vehivavy kamo; mpiasa matotra sy malemy fanahy, ary be fitiavana sy mafana fo no iriny. Hahasoa ireo mpitoritenintsika ny asa omban'ezaka. Porofon'ny faharatsiana ny hakamoana. Ny fahaiza-manao rehetra ananan'ny saina, ny taolana tsirairay ao amin'ny vatana, ny nofotra tsirairay amin'ny rantsam-batana, dia mampiseho fa noforonin'Andriamanitra mba hampiasaina fa tsy hitomoe-poana ny fahaiza-manao nomeny antsika. (...)

Ny olona izay tsy nanana fahazarana miasa mafy sy mampiasa ny fotoana araka ny tokony ho izy dia tokony hanana fitsipika izay handrisika azy hanao asa mitohy sy mailaka. Nahavita asa betsaka ingahy George Washington [filoham-pirenena voalohany tany Etazonia] noho ny fanarahany tamin'ny fomba hentitra lamina asa sy fitozoana. Nanana ny daty sy ny toerana tokony hisy azy avokoa ny taratasiny rehetra, ary tsy nisy fotoana veriny tamin'ny fitadiavana izay tsy hita.

Tokony hazoto hiana-javatra ny vahoakan'Andriamanitra, na lahy na vavy; tokony hafana fo amin'ny fandrantoana fahalalana izy ireo ka tsy handanilany foana ny fotoana. (...) Maro anefa no tsy hahatratra toerana ambony eo amin'ny fitarihana na eo amin'ny fandraharahana, noho ny tsy fananany tanjona sy ny fampanaranam-po ny fahazarana samihafa noraisiny tany amin'ny fahazazany. Hita eo amin'ny zavatra rehetra ataony ny fanaovana tsirambina. (...) Ny fananana fotoana raikitra ho an'ny fifohazana, ny fivavahana, ny fisakafoana ary ny fialan-tsasatra ihany no hahitan'ny mpandraharaha fahombiazana tena izy. Raha manan-danja ho an'ny raharaha eto an-tany ny fametrahana lamina sy ny fanaovan-javatra mitohy, manao ahoana lavitra re ny lanjan'izany eo amin'ny asan'Andriamanitra!

Maro no mandanilany foana ny oran'ny maraina eo am-pandriana. Ireo ora sarobidy ireo anefa, izay very, dia tsy hiverina intsony; very mandrakizay izany. Ny ora iray lanilany foana isan'andro dia fandaniam-potoana lehibe ao anatin'ny herintaona! Aoka hisaintsaina momba izany ireo tia torimaso ka haka fotoana handinihana ny fomba hampamoahana azy eo anatrehan' Andriamanitra noho ireo fotoana fanararaotra verivery foana. - GW, tt. 277,278. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal