Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andron'ny fanasitranana sy fifaliana

Daty
Sabotsy 17 May 2025

 "Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin 'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin 'ny andro Sabata." - Lio. 13:14.

Mofon’aina:
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao hianao. Dia nametraka ny tanany taminy Izy; ary niaraka tamin' izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an 'Andriamanitra ." - Lio. 13:10-13. 

Nanohina ilay fon'i Kristy be fangorahana ny nahita an' ity vehivavy nijaly ity, ary azo heverina fa ny olombelona rehetra izay nijery azy dia ho nifaly tamin'ny nanapahana ny fatorany sy ny nanasitranana azy tamin'ny fahoriana izay nampiondrika azy nandritra ny valo ambin'ny folo taona. Tsikaritr'i Jesosy teo amin'ny endrika maloka sy feno fahatezeran' ireo mpisorona sy raby kosa fa tsy mba nahatsapa fifaliana noho ny nanafahana an-dravehivavy izy ireo. (...) Tsy nahatsapa fankasitrahana izy ireo raha nanjary nahitsy tsara ny vatan-dravehivavy izay niova bika teo, ary koa raha nampifaly ny fon-dravehivavy ny Fanahy Masina mandra-pipololotran' ny fisaorana avy tao ka nahatonga azy nanome voninahitra an' Andriamanitra. 

Hoy ny mpanao Salamo: "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy." - Sal. 50:23a. Nisy feo hafa naningana anefa teo anivon'ireo teny feno fankasitrahana. "Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata." - Lio. 13:14a. (...)

Raha tena nihaino ny feon'ny fieritreretany mahakasika ny fitan-dremana ny Sabata araka ny tokony ho izy anefa io lehilahy io, dia ho hainy ny nanavaka ny toetry ny asa nataon'i Kristy. (...) Nifandrindra tamin'ny fanamasinana ny andro Sabata mantsy izany. Talanjona sy faly teo anatrehan'izay natao tamin'ity vehivavy nijaly ity ny olona tetsy sy teroa; tao ireo voakasika am-po sy ireo izay nahazo fahazavan-tsaina, izay ho nanjary mpianatr'i Kristy raha tsy teo ny endrika maloka sy feno fahatezeran' ireo raby. - ST, 23 Avrily 1896.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal