Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, notandremana fahiny ary mbola tandremana

Daty
Alahady 25 May 2025

«Matahora an 'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan 'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.» «Indro ny faharetan 'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin 'Andriamanitra sy ny finoana an 'i Jesosy.» - Apôk. 14:7,12.

Mofon’aina:
Toy izao no ampibaribarian'ny mpaminany ny didy izay navela: "ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, ary ny naorina hatry ny fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe: Mpanamboatra ny raya, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin 'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe Mendrika hohajaina ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao." — Isa. 58:12,13 (...)

Ny Sabata izay nohamasinin'ny fitsaharan'ny Mpamorona sy ny fitahiany dia notandreman'i Adama fony izy tsy nanan-tsiny tao amin'ny Edena masina; ary mbola notandreman'i Adama koa rehefa lavo izy nefs nibebaka, ka voaroaka hiala taurin' ilay toeram-pahasambarana nisy azy. Notandreman'ireo patriarka rehetra izany (...) Fony babo tany Egypta ny vahoaka voafidin' Andriamanitra dia betsaka no tsy nahatana intsony ny fahalalana ny lalàn'Andriamanitra teo anivon'ny fanompoan-tsampy izay nanjaka; fa nanafaka ny Isiraely kosa Jehovah, dia nambarany tamin'ny fomba manetriketrika indrindra tamin'ny vahoaka marobe tafavory ny lalàny, mba hahafantaran'izy ireo ny sitrapony ka hatahorany sy hankatoavany Azy mandrakizay.

Hatramin'izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia voatahiry teto an-tany ny fahalalana ny lalàn'Andriamanitra, ka notandremana ny Sabatan'ny didy fahefatra. Na dia nahomby aza «ilay lehilahin'ota» tamin'ny fanitsakitsahana ny andro masin'Andriamanitra, dia nisy fanahy niafina tany amin'ny fitoerana mangina izay nanaja ny Sabata na dia tamin'ny fotoana nananany ny fahefana faratampony aza. Hatramin'ny fanavaozana ara-pivavahana no ho mankaty dia nisy olona nitozo tamin'ny fitandremana azy isan-taranaka nifandimby. (...)

Ireo fahamarinana ireo, (...) dia hampiavaka ny fiangonan'i Kristy amin'ny fotoana hisehoany. Izao mantsy no voalaza ho vokatry ny fitoriana ireo hafatra telo sosona: «Indro, ny faharetan'ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an' i Jesosy». (...) —HM, tt. 466,467. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal