Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny antony hiankohofana amin'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 29 May 2025

«Ary manamasina ny Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehôvah Andriamanitrareo.» - Ezek. 20:20.

Mofon’aina:
Ao amin'ny Apôkalypsy 14, dia antsoina ny olona hiankohoka eo anoloan'ny Mpamorona; ary asehon'ny faminaniana ny antokon'olona iray, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra ho vokatry ny hafatra telo sosona. Ny iray amin'ireo didy ireo dia manondro mivantana an'Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy. Hoy ny ambaran'ny didy fahefatra: «Fa Sabatan'i Jehôvah Andriamanitrao ny andro fahafito ... henemana no nanaovan'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito, izany no nitahian'i Jehôvah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.» - Eks. 20: 10-11. (...)

Ny maha-zava-dehibe ny Sabata amin'ny maha-tsangambaton'ny famoronana azy dia izy mampahatsiaro mandrakariva ny tena antony tokony hiankohofana amin'Andriamanitra — satria Mpamorona Izy, ary isika noforoniny. «Noho izany ny Sabata dia tena fototry ny fanompoana an'Andriamanitra mihitsy, satria mampianatra io fahamarinana lehibe io amin'ny fomba manaitra indrindra izy, ary tsy misy fanorenana hafa (nataon'Andriamanitra) manao izany. Ny tena fototry ny fanompoan an'Andriamanitra, tsy amin'ny andro fahafito ihany, fa ny fanompoana azy rehetra, dia hita eo amin'ny fahasamihafan'ny Mpamorona sy ny noforonina. Tsy azo atao na oviana na oviana ny manafoana izany ary tsy azo hadinoina na oviana na oviana izany». - J. N. Andrews, History of the Sabbath, toko 27. Mba hitazonana io fahamarinana io ao an-tsain'ny olona mandrakariva no nanorenan'Andriamanitra ny Sabata tany Edena; ary raha mbola ny maha-Mpamorona antsika Azy ihany no antony tokony hiankohofantsika eo anatrehany, dia mbola ho famantarana sy tsangambato ihany ny Sabata. Raha notandremana eran'izao tontolo izao ny Sabata, dia ho voatarika ho eo amin'ny Mpamorona ny saina sy ny fitiavan'ny olona, amin'ny maha-tokony hanajana Azy sy hiankohofana Aminy, ary tsy ho nisy na oviana na oviana mpanompo sampy, na mpandà ny fisian'Andriamanitra, na tsy mpino. Ny fitandremana ny Sabata no famantarana ny firaiketam-po amin'Andriamanitra marina, «Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny loharano». Noho izany ny hafatra izay mibaiko ny olona hiankohoka eo anatrehan'Andriamanitra sy hitandrina ny didiny dia miantso azy ireo amin'ny fomba manokana hitandrina ny didy fahefatra. – HM, tt. 451,452. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal