«Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.» - Isa. 66:23.
Mofon’aina:
Tonga tao amin'ny fitsaharana i Jesosy nony farany. Tapitra ilay andro lavabe feno fahafaham-baraka sy fampahoriana. Nandry fahizay tao am-pasan'i Josefa Ilay Zanak'Andriamanitra tamin'ny fotoana nanondroan'ny tanamasoandro milentika fa tonga ny Sabata. Feno sy tanteraka ny asany; ny tenany mikambana (teo amin'ny tratrany) tamim-piadanana, raha nitsahatra nandritra ireo ora masin'ny andro Sabata Izy.
Tamin'ny voalohany dia efa nitsahatra tamin'ny Sabata ny Ray sy ny zanaka taorian'ny asa famoronana. Raha «(..) vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy», dia niravoravo ny Mpamorona sy ny mponina rehetra tany an-danitra nijery sy nankalaza ilay fisehoan-javatra be voninahitra. «(...) Niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo Zanak'Andriamanitra.» - Jôba 38:7. Ankehitriny dia nitsahatra tamin'ny asa fanavotana i Jesosy; ary na dia nalahelo aza ireo izay tia Azy teto an-tany, dia nisy fifaliana kosa tany an-danitra. Be voninahitra ny fampanantenana ny hoavy teo imason'ireo mponina tany an-danitra. Famoronana tafaverina indray, taranaka voavotra, izay naharesy ny fahotana ka tsy ho lavo intsony, - izany no vokatra azo avy tamin'ny asa nataon'i Kristy ka hitan'Andriamanitra sy ny anjely. Mifamatotra mandrakizay amin'io toe-javatra io ny andro nitsaharan'i Jesosy (...) Fa «(...) tanteraka ny asany», ary «(..) izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay (..)» (Mpitt. 3:14). Rehefa hisy «(...) fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain 'Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin'ny voalohany indrindra» (Asa. 3:21), dia mbola ho andro fitsaharana sy firavoravoana ihany ny Sabatan'ny famoronana, dia ilay andro izay nitsaharan'i Kristy tao amin'ny fasan'i Josefa. Hiray amin'ny fiderana ny lanitra sy ny tany, rehefa ho avy «(...) isan-tSabata (...)» ny firenen'ny voavonjy, hiankohoka amim- pifaliana hanompo an'Andriamanitra sy ny Zanak' ondry.
Ireo toe-javatra farany tamin'ny andro nanomboana teo amin'ny hazo fijaliana, dia nisy porofo vaovao nomena ny amin'ny fahatanterahan'ny faminaniana, sy vavolombelona vaovao ny amin'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Rehefa niala tsy ho eo amin'ny hazo fijaliana ny haizina, ka niantso farany ny Mpamonjy efa ho faty, dia nisy feo hafa re avy hatrany nanao hoe: «Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io». — IFM, tt. 639,640.