"Ary ny Zanak’Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin’izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin’ny sisin’ny tany Kanana."
Mofon’aina:
Isan-kerinandro dia nahita maso fahagagana telo sosona natao hitadidiana ny fahamasinan’ny andro fitsaharana ny Zanak’Isiraely. Ary nony tamin’ny andro fahenina dia nilatsaka avo sasaka ny mana; ary nony tamin’ny andro fahafito dia tsy nisy nilatsaka ary izay nangonina tamin’io andro io dia tsy mba simba, fa izay nangonina tamin’ny andro hafa kosa simba.
Ireo toe-javatra rehetra niseho tamin’ny mana dia nanome porofo mazava fa tsy tamin’ny fotoana nanomezana ny lalàna tao Sinay no nanorenana ny andro fitsaharana, araka ny iheveran’ny maro azy. Efa fanaon’ny Zanak’Isiraely ny nitandrina io andro io, talohan’ny nahatongavany tao Sinay. Tsapany tsy tapaka ny fahamasinan’io andro io, tamin’ny tsy maintsy nanangonana mana avo sasaka ny andro Zoma. Avy amin’izany ny antony nandidiana mafy ny Zanak’Isiraely izay mivoaka hanangona mana ny Sabata maraina: "Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?" - Eks. 16:28.
«Ary ny Zanak’Isiraely nihinana mana nandritra ny efapolo taona mandra-pahatongany tany amin’ny sisin’ny tany Kanana.» Nampahatsiahy azy ny fikarakarana tsy mitsahatra sy feno fitiavana nataon’ilay Andriamanitra fitiavana io famatsiana mahagaga io, nandritra ny fe-potoana voalaza eo ambony. "Varin’ny lanitra no nomen’Andriamanitra ."azy"; araka ny voalazan’ny mpanao salamo. Fantany tamin’izany isan’andro fa niantoka izay nilainy tahaka ny tany lonak’i Kanana koa ny teny fikasan’Andriamanitra. – PM , tt. 280,281