Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I Kristy no tahafo fa tsy izao tontolo izao.

Daty
Alahady 22 June 2025

"Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be." - 1 Tim. 6:10.

Mofon’aina:
aseho ahy fa tandindomin-doza lehibe ny vahoakan'Andriamanitra, satria maro amin'izy ireo no mponin'ny tany ka eto amin'izao tontolo izao no ifantohan'ny fisainany sy ny fitiavany. (...)Arakaraka ny fahazavana sy ny fahasoavana ary ny fanomezana nomena antsika ny andraikitra ankinina amintsika. Ireo mpiasa izay manana talenta sy harena ary tombontsoa sy fahaiza-manao betsaka indrindra no iankinan'ny andraikitra mavesatra indrindra. (...)

Nolazaina tamiko ny momba ny anadahy izay ao anatin' izany sokajin'olona izany. Nahaliana azy ireo mandrakariva rehefa mety ho tombontsoa araka izao tontolo izao na dia izay bitika indrindra aza. Ny fahaiza-mivarotra sy ny fampiasam-bola mahomby, amin'ny alalan'ny fifampiraharahana amin'ny vola madinika indrindra, no nanangonan' izy ireo harena. Tamin'ny fanaovana izany anefa no nampianarany fahaiza-manao izay tsy mifanaraka amin'ny fitomboan'ny toetra kristianina (...) satria tiany lavitra noho Andriamanitra sy ny fahamarinana izao tontolo izao sy ny tombontsoany. (...)

An' Andriamanitra avokoa ny fahaiza-manao ananan'ny lehilahy sy ny vehivavy. Rarany tanteraka ao amin'ny Teniny ny fanahafana sy ny fitiavana an' izao tontolo izao. (...) Ireo izay manam-pikasana hanangona ireo haren'izao tontolo izao dia "latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin 'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin 'ny alahelo be." - 1 Tim. 6:9,10. (...)

I Jesosy dia efa nanokatra lalana mba hahazoan'ny olona rehetra fahendrena sy fahasoavana ary hery. Izy no Ohatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra, ary tsy misy na inona na inona tokony hamily ny saina tsy hifantoka amin'ny tanjona manan-danjan'ny fiainana, dia ny hananana an'i Kristy ao amin'ny fanahy, ka hampiempo sy hampilefitra ny fo (...). - TFC, b. 5, tt. 277,278. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal