Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Omeo ilay ranovelona koa ny hafa

Daty
Sabotsy 17 February 2024

"Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay: fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay." - Jao. 4:14.

Fony i Kristy niresaka tamin'ilay vehivavy Samaritanina, dia tsy niady hevitra momba ny fantsakan'i Jakóba Izy, fa nampiseho zavatra tsara lavitra (...). Notarihiny ny resaka ho amin'ilay harena sarobidy tokony homeny azy, ka zavatra tsara lavitra noho izay nananan'ilay vehivavy no natolony azy, dia ranovelona, ny fifaliana sy ny fanantenana avy amin'ny filazantsara.

Lehibe manao ahoana ny fitsinjovan'i Kristy ity vehivahy tokana ity! Akory ny fahitsiana sy ny hazavan'ny Teniny! Rehefa nandre izany ravehivavy dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanána, nilaza tamin'ireo izay tojo azy hoe: "Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?" Voalaza fa "maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanána izany no nino an'i Jesosy -and. 29,39. Ary iza, hatramin'izay taona maro lasa izay ka mandraka ankehitriny, no mahay manombana ny hery mahavonjy avy amin'izany teny izany?

Tonga nifandray manokana tamin'ny olona i Jesosy. Tsy nihataka tamin'ireo izay nila vonjy Taminy Izy. Niditra tany an-tranon'izy ireo Izy, nampahery ny ory, nanasitrana ny marary, nanaitra ireo tsy miraika, ary nandehandeha nanao soa. Raha mpanara-dia an'i Jesosy isika dia tsy maintsy manao tahaka izay nataony koa, tsy maintsy manampy ny olona tahaka ny nanampiany azy ireo koa. Irin'ny Tompo ny hahafantaran'ny fanahy tsirairay ny tenim-pahasoavany. Asa ataon'ny tena manokana no tsy maintsy anatanterahana izany amin'ny ampahany lehibe. Toy izany ny fomba fiasan'i Kristy. Fifandraisana amin'ny isam-batan'olona no tena nameno ny asan'i Kristy. Na fanahy tokana aza no nihaino Azy dia nanan-danja Taminy manokana izany. Matetika tamin'ny alalan'izany fanahy tokana izany no nielezan'ny hafatra tamin'ny olona an'arivony (...). Marobe ireo izay tsy ho tratry ny filazantsara na oviana na oviana raha tsy entina ho eo aminy izany. MLT, t. 227.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal