Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaraha an’i Kristy ka reseo ny fahavalo.

Daty
Alahady 06 July 2025

" Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filàn’ny nofo sy ny filàn’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao."  1 Jao. 2:16. 

Mofon’aina:     
Maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra no domelin’ny toe-tsain’izao tontolo izao ka mandà ny finoany amin’ny alalan’ny asany. Mikolokolo fitiavana vola sy trano ary tany izy ireo, mandra- pahatonga ireo rehetra ireo handany ny herin’ny sainy sy ny maha-izy azy ka mandroaka ny fitiavana ny Mpahary sy ny fanahy izay nanoloran’i Kristy ny ainy. (...) Manjary latsa-danja ny tombontsoa maharitra mandrakizay, ka ny atidoha sy ny taolana ary ny hozatra dia ampiasaina mafy indrindra mba hampitomboana ny fananana ara-nofo. Ny fanangonana ireo fiahiahiana sy enta-mavesatra rehetra ireo dia manjary fandikana mivantana ny baikon’i Kristy manao hoe: "Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra” - Mat. 6:19-20.

Hadinony fa nilaza koa Izy hoe: "Fa miharia harena ho anareo any an-danitra”; raha manao izany mantsy izy dia hiasa ho an’ny tombontsoany ihany. (…) "

Tany an’efitra no niatrehan’i Kristy ny fakam-panahy lehibe indrindra izay saika hamely ny taranak’olombelona. Izy irery no nifanehatra tamin’ilay fahavalo fetsy sy kinga nefa naharesy azy. Mahakasika ny fitiavan-komana ny fakam-panahy lehibe voalohany; ny fisehosehoana no faharoa ary ny fahatelo dia ny fitiavana an’izao tontolo izao. (...) Tonga niaraka tamin’ny voninahitra sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana araka izao tontolo izao i Satana ka nampiseho ireo tamin’ny fomba mahataona indrindra mbahandrenohana sy hamitahana. (...) Noroahin’i Kristy anefa io fahavalo fetsy io ka nivoaka ho mpandresy Izy (…)

Manoloana antsika ny ohatra nasehon’i Kristy. Nandresy an’i Satana Izy ary nampiseho fa afaka ny handresy koa isika. Notoheriny tamin’ny alalan’ny Soratra Masina i Satana. (...) Raha dinihina sy arahina ny Soratra Masina, dia hahery ny Kristianina rehefa mifanehatra amin’ilay fahavalo fetsy; saingy atao an-tsirambina ny Tenin’Andriamanitra ka loza sy faharesena no miseho. – CS ,tt. 209,210.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal