Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra.

Daty
Talata 08 July 2025

"Amin’ny làlan'ny fahamarinana no misy fiainana, ary ny tsi-fahafatesana no làlan-kalehany. Ohab. 12:28."

Mofon’aina:
Efa navelan'Andriamanitra hamirapiratra amintsika amin'izao andro farany izao ny fahazavan'ny fanavaozana ara-pahasalamana (...). Miasa amin-kery lehibe tokoa i Satana hitarihana lehilahy sy vehivavy maro ho amin'ny fitiavan-komana, ny fampanaranam-po ny fironana maha-olombelona ary ny fandaniana andro amin'ny fahadalana tsy misy fieritreretana. (...) 
Mandemy ny herin'ny saina sy ny vatana ny tsy fahalalana onony. Izay resin'izany dia efa nametraka ny tenany ho eo amin'ny faritanin'i Satana, izay hahazoan'ny fahavalon'ny fahamarinana maka fanahy (...) ary mifehy azy araka izay tiany.

Tokony hisarika ny sain'ny ray aman-dreny mandrakariva ny adidiny eo amin'ny fitondrana ho an'izao tontolo izao ankizy manana toetra mivelatra tsara, ankizy izay hanana hery ara-pitondrantena hanohitra ny fakam-panahy, ary fiainana hanome voninahitra an'Andriamanitra sy ho fitahiana ny hafa. (...) Aoka ny renim-pianakaviana hanararaotra ny fotoana rehetra hahazoany manabe ny zanany ho amin'izay mahasoa.

(...) Raha vao menavava ny zanany dia efa tokony hampianariny hanana fahazarana mandà tena sy mifehy tena.

(...) Raha ny fahadalan'izao taranaka mitotongana izao (...) no mandany betsaka indrindra ny androny, raha ny rendrarendran'ny fiaraha-monina sy ny fitafy ary ny lalao maro samihafa no misarika indrindra ny sainy, dia tsy hahazo ny fanabeazana araka ny tokony ho izy ny zanany (...).

Miantoniboka eo amin'ny latabatra fisakafoana ny tsy fahalalana onony, ary maro no manome vahana ny fitiavan-komana mandra-pahatonga ny fanaranam-po ho tonga toetra faharoa. Izay homan-kanina be loatra, na koa manaram-po amin'ny hanina tsy mahasalama, dia mandemy ny hery hahazoany manohitra ny fitakian'ny hetahetan-javatra hafa sy ny firehetan'ny fo.

Noho ny tsy fananany faharetana eo amin'ny fanabeazana ny zanany mba hanana fahazarana mandà tena dia ray aman-dreny maro no mamela ny zanany hihinana sy hisotro amin'ny fotoana rehetra tiany hanaovana izany. Tsy mihena velively miaraka amin'ny fandrosoan'ny taona tsy akory ny faniriana hanome fahafaham-po ny fitiavan-komana sy ny fironana maha-olombelona. Rehefa mihalehibe ireo tanora ireo, dia ny fironana mahery vaika ao aminy no mifehy azy ary ny fitiavan-komana no mangeja azy (...). — CE, tt. 175-177. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal