Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andraikitra masina ny fitaizana.

Daty
Alarobia 09 July 2025

" Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehôvah . 'Ary aza manendry izay ravatra tsy madio ; ary Izaho dia handray anareo ". 2 Kôr. 6:17,18.

Mofon’aina:
Rehefa hihaona am in'ny andro fampamoahana farany ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia ho mahatahotra tokoa ny zavatra hiseho! Ankizy an'arivony maro izay nandevozin 'ny fitiavan-komana sy ny faharatsian-toetra mampietry, ary tonga ratsy fitondrantena tanteraka, no hijoro eo anatrehan'ireo ray aman-dreny izay nahatonga azy ho toy izany. Iza ankoatra ny ray aman-dreny no natao hiantsoroka izany andraikitra mahatahotra izany? (...) Moa ve tsy ny fahotan'ny ray aman-dreny izay nafindrany tamin'ny zanany tamin'ny alalan'ny fitiavan-komana sy ny firehetam-po mampitotongana no nahatonga izany? Ary moa ve izany tsy asa notanterahin'ireo izay nanao an-tsirambina ny fanabeazana ny zanany ho araka ny môdely efa nomen’ Andriamanitra? (…)

Vonona ny hanao ny asany i Satana: tsy mba hataony rainazy ny haneho zava-mahataona maro amin'ireo ankizy tsy mba manana hery na sitrapo ara-pitondrantena hanoherana azy. Hitako fa, amin'ny alalan'ny fakam-panahy alefany, dia efa naoriny ny fisian'ny lamaody miovaova tsy tapaka, ny fialam-boly (...) izay mety hitarika ny renim-pianakaviana handany ny fotoany amin-javatra tsy misy heviny (...). Ny tanorantsika dia mitady reny izay hampianatra azy dieny mbola zaza menavava hifehy ny firehetan'ny fo, handositra ny hatendan-kanina ary handresy ny fitiavan-tena.

Ny vehivavy dia tokony hihazona ny toerana efa nanendren'Andriamanitra azy hatrany am-boalohany, amin'ny maha-mpanampy tandrify ny vadiny azy. Mila reny tsy anarany fotsiny izao tontolo izao (...). Azontsika atao ny milaza tsy amim-pisalasalana fa masina kokoa, ary voatokana kokoa noho ny an'ny lehilahy ny adidy mampiavaka ny reny. Aoka ny reny hahatsapa ny fahamasinan'ny asany. (...) Mampirisika ny reny kristianina aho hahazoany an-tsaina ny andraikiny sv hananany fiainana manome voninahitra an'Andriamanitra fa tsy izay hahafinaritra ny tenany ihany. Nandao ny lapam-panjakany i Kristy ary nanarona ny maha-Andriamanitra A zy tamin'ny maha-olombelona, mba hampianarany antsika (...) fa azontsika atao ny hisandratra eo amin'ny toeran'ny zanakalahy sy zanakavavy, (...) zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. CE, 177-179. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal