Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama ny asa sy ny fampiasan-tena.

Daty
Alakamisy 10 July 2025

"Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra hianao, nefa hianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo  aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka hianao." Isa. 57:10.

Mofon’aina: 
Misy olona sasany mihevitra fa fitahiana ny harena sy ny fidonanaham-poana. Rehefa misy olona mahazo harena be na koa mandova izany amin'ny fomba tsy ampoizina, dia miato ny fahazarana efa nananany, tsy ampiasainy ny fotoany, ary miadam-poana izy. Toa mifarana hatreo ireo lafin-toetra mahatonga azy ho ilain'ny manodidina; manjary mitaintain-dava izy, be tebiteby, tsy sambatra ary tsy maharitra ela ny fahavelomany.

Ireo izay manan-katao mandrakariva ary manatanteraka amim-pifaliana ny asa fanaony isan'andro no sambatra sy salama indrindra. Ny fialan-tsasatra sy ny fahatonian'ny alina no mitondra torimaso tsy tapatapaka ho an'ny vatany trotraka. Efa fantatry ny Tompo izay hahasambatra ny olombelona rehefa nanome azy ireo asa hatao Izy. Avy eo amin'ny seza fiandrianana iray ihany no niavian'ilay didim-pitsarana momba ny tsy maintsy hiasany mafy mba hahazoana hanin-kohanina sy ilay teny fikasan'ny fahasambarana sy ny voninahitra ho avy. Samy fitahiana avokoa izy roa ireo (...)

 Hanampy ny fandevonan-kanina ny fampiasan-tena. Hitondra soa lehibe tokoa ny dia an-tongotra kely aorian'ny fisakafoana, ny fihazonana ny loha ho mahitsy tsara, ny fampitrakana tsara ny soroka ary ny fampiasan-tena amin'ny antonony. (...)

 Tsy tokony hosakanana tsy hahazo rivotra madio sy vaovao ny havokavoka. Rehefa misy faritra marary amin'ny vatana, ny havokavoka ohatra na ny vavony, dia vao mainka ilaina indrindra ny rivotra madio. (...) Ny fampiasan-tena mavitrika nefa tsy mahery vaika eny ankalamanjana dia hanatsara ny fikorianan’ny rà, hampitomarataratra fahasalamana eny amin'ny hoditra, ary hampiely ny ra manerana ny vatana rehetra vokatry ny herin'ny rivotra madio.

(...) Matetika indrindra ny mpitsabo no manoro hevitra ny marary mba handeha hitsidika toeran-kafa, ho eny amin'ny loharano, ho eny amoron'ny ranomasina mba hanavao ny fahasalamany. Raha mahalala onony izy ireo eo amin'ny lafiny fihinanana ka manao fampiasan-tena miaraka amin'ny toe-tsaina falifaly, dia marary sivy amin'ny folo no hiverina hahazo fahasalamana indray sady tsy lany vola sy fotoana. (...). — TFC, b. 2, tt. 529-531. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal