Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lehilahy feno fiheverana sy faly mandrakariva

Daty
Alahady 13 July 2025

"Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manajà ny vavy, tahaka ny  mety hatao amin'ny fanaka malemilemv kokoa sady mpiara-mandova  ny fahasoavan'ny fiainana mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. Pet. 3:7.

Mofon’aina:
Tokony haneho fahalianana lehibe ho an'ny ankohonany ny lehilahy. Tokony ho feno halemem-panahy indrindra izy eo anatrehan'ny fihetseham-pon'ny vadiny izay marefo. Afaka hisakana aretina maro izy. Handaitra lavitra ny teny mamy ary hitondra hafaliana sy fampaherezana noho ny fanafody mahasitrana indrindra. Ireo no hitondra hery ho an'ny fo ketraka sy kivy (…). 

Tokony hotsaroan'ny ray fa miankina amin'ny reny ny ampahany mavesatra indrindra amin'ny fanofanana ny zanany (...). lzany no tokony hampirisika azy haneho halemem-panahy lalina indrindra, ary amin'ny firaisam-po feno no tokony hanamaivanany ny enta-mavesatra entin'ny vadiny. Tokony hampirisika ny vadiny izy hiankina amin'ny fitiavany lehibe ka hitarika ny sainy ho any an-danitra izay misy ny hery sy ny fiadanana ary ny fitsaharana farany ho an'ny reraka. Tsy tokony ho handrina mikentrona no hidirany ao an-trano, fa ny fahatongavany kosa dia tokony hitondra tara-masoandro ho an'ny ankohonany sy hampirisika ny vadiny hitraka ary hino an'Andriamanitra. Amin'ny firaisan-tsain'izy ireo no hahazoany mitaky ny teny fikasan'Andriamanitra sy hitondrany ny Fitahiany safononoka ho ao an-tokantrano. — TFC, b. 1, tt. 306,307.

Betsaka ny vady sady ray no afaka hianatra lesona mahasoa avy amin'ny fikarakaran' ny mpiandry ondry mahatoky. Rehefa nilazana i Jakôba hanao dia maika sy sarotra dia namaly hoe: "Mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman 'osy sy omby  ato amiko; koa raha hokorodonina indrav andro aza ireo, dia ho .fiity avokoa ondry aman 'osy rehetra Ary ilaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman 'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza." (Gen. 33:13). 

Eo amin'ny lalana manahirana eo amin'ny fiainana, aoka ny vady sady ray handroso "amin'izay mety ho arak'izato mpiara-dia aminy." Eo anivon'ny hafanam-po sy ny firotorotoan'izao tontolo izao hitady harena sy fahefana, aoka izy hianatra hampiato ny diany mba hampaherv sy hanohana ilay nantsoina handeha eo anilany." — TMF, t. 305. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal