Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lehilahy feno fiheverana sy faly mandrakariva

Daty
Alahady 13 July 2025

"Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manajà ny vavy, tahaka ny  mety hatao amin'ny fanaka malemilemv kokoa sady mpiara-mandova  ny fahasoavan'ny fiainana mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. Pet. 3:7.

Mofon’aina:
Tokony haneho fahalianana lehibe ho an'ny ankohonany ny lehilahy. Tokony ho feno halemem-panahy indrindra izy eo anatrehan'ny fihetseham-pon'ny vadiny izay marefo. Afaka hisakana aretina maro izy. Handaitra lavitra ny teny mamy ary hitondra hafaliana sy fampaherezana noho ny fanafody mahasitrana indrindra. Ireo no hitondra hery ho an'ny fo ketraka sy kivy (…). 

Tokony hotsaroan'ny ray fa miankina amin'ny reny ny ampahany mavesatra indrindra amin'ny fanofanana ny zanany (...). lzany no tokony hampirisika azy haneho halemem-panahy lalina indrindra, ary amin'ny firaisam-po feno no tokony hanamaivanany ny enta-mavesatra entin'ny vadiny. Tokony hampirisika ny vadiny izy hiankina amin'ny fitiavany lehibe ka hitarika ny sainy ho any an-danitra izay misy ny hery sy ny fiadanana ary ny fitsaharana farany ho an'ny reraka. Tsy tokony ho handrina mikentrona no hidirany ao an-trano, fa ny fahatongavany kosa dia tokony hitondra tara-masoandro ho an'ny ankohonany sy hampirisika ny vadiny hitraka ary hino an'Andriamanitra. Amin'ny firaisan-tsain'izy ireo no hahazoany mitaky ny teny fikasan'Andriamanitra sy hitondrany ny Fitahiany safononoka ho ao an-tokantrano. — TFC, b. 1, tt. 306,307.

Betsaka ny vady sady ray no afaka hianatra lesona mahasoa avy amin'ny fikarakaran' ny mpiandry ondry mahatoky. Rehefa nilazana i Jakôba hanao dia maika sy sarotra dia namaly hoe: "Mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman 'osy sy omby  ato amiko; koa raha hokorodonina indrav andro aza ireo, dia ho .fiity avokoa ondry aman 'osy rehetra Ary ilaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman 'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza." (Gen. 33:13). 

Eo amin'ny lalana manahirana eo amin'ny fiainana, aoka ny vady sady ray handroso "amin'izay mety ho arak'izato mpiara-dia aminy." Eo anivon'ny hafanam-po sy ny firotorotoan'izao tontolo izao hitady harena sy fahefana, aoka izy hianatra hampiato ny diany mba hampaherv sy hanohana ilay nantsoina handeha eo anilany." — TMF, t. 305. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal