Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hazony amin'ny fomba rehetra ny fahatokiana

Daty
Alakamisy 17 July 2025

"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany." — Heb. 13:7.

Mofon’aina: 
Ny drafitra sy ny tanjona rehetra momba ny fiainana dia tokony hampandalovina eo amin'io mpisedra tsy mety diso io [ny Tenin'Andriamanitra]. (...) Na misy lalana toa hahazoan-tombontsoa aza, araka ny fijerin'olombelona, dia ho ratsy ny vokany raha melohin'ny Tenin'Andriamanitra izany.

 Mety ho sarotra ho an' ireo mitana toerana ambony ny mandeha amin'ny lalan'ny fahatokiana tsy voahozongozona rehefa sendra dera na fanakianana izy. Io ihany anefa no lalana azo antoka. (...). Ireo izay manana hery ara-pitondrantena hanoherana ny faharatsiana sy ny fahadisoan-kevitry ny mpiara-belona aminy, (mety ireo izay omem-boninahitra eo amin'izao tontolo izao izany), dia hiharan'ny fankahalana sy ny fanarabiana ary ny fiampangana tsy marina sy mandratra. Mety ho voaisotra eo amin'ny toerana ambony misy azy aza izy, satria tsy nanaiky ny hovidina na hamidy, satria tsy nanaiky handoto ny tanany amin'ny tsy fahamarinana, na notambazana na norahonana. (...)

 Mety ho malemy ny fiheveran'ny olona azy, (...), tsy mendrika ny hitana birao, kanefa tsy mba toy izany ny fijerin'Ilay Avo Indrindra azy. Izay manao tsinontsinona azy no tena tsy manam-pahalalana. Na mety hanenjika ny olo-mahatoky mandritra ny fiainany aza ny tafio-drivotry ny fanaratsiana sy ny fanarabiana, hatramin'ny fahafatesana, Andriamanitra kosa dia efa nanomana ny "Tsara izany" ho azy ireo. Fiainana tsy ahitana fitsaharana na fahafaham-po no vokatry ny fahadalana sy ny faharatsiam-pitondrantena, ary amin'ny farany dia ho ondana mankarary loha eo am-pialana aina. (. • .) Miandry ao ambadik'izany rehetra izany ny fitsarana, sy ny didim-pitsarana farany tsy azo ovana manao hoe: "Mialà amiko! (..)" 

Efa nametraka ohatry ho an'ny mpanara-dia Azy ny Zanak' Andriamanitra. Tsy natao hila dera amin'ny hafa izy ireo, na hikatsaka fiainam-piadanana sy harena, fa haka tahaka ny fiainam-pahadiovana sy fandavan-tena nananan'i Jesosy, na inona na inona mety ho saran' izany (...) Tsy hanao tsinontsinona ny zon'ny hafa izy. (...) Hoy Ilay Mpanavotra izao tontolo izao: "Mifankatiava hianareo, tahaka ny nitiavako anareo". Raha tsy tanteraka io farany io, dia tsy ho tratra velively ny fenitry ny fivavahana kristianina. — ST, 2 Febroary 1882.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal