Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hazony amin'ny fomba rehetra ny fahatokiana

Daty
Alakamisy 17 July 2025

"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany." — Heb. 13:7.

Mofon’aina: 
Ny drafitra sy ny tanjona rehetra momba ny fiainana dia tokony hampandalovina eo amin'io mpisedra tsy mety diso io [ny Tenin'Andriamanitra]. (...) Na misy lalana toa hahazoan-tombontsoa aza, araka ny fijerin'olombelona, dia ho ratsy ny vokany raha melohin'ny Tenin'Andriamanitra izany.

 Mety ho sarotra ho an' ireo mitana toerana ambony ny mandeha amin'ny lalan'ny fahatokiana tsy voahozongozona rehefa sendra dera na fanakianana izy. Io ihany anefa no lalana azo antoka. (...). Ireo izay manana hery ara-pitondrantena hanoherana ny faharatsiana sy ny fahadisoan-kevitry ny mpiara-belona aminy, (mety ireo izay omem-boninahitra eo amin'izao tontolo izao izany), dia hiharan'ny fankahalana sy ny fanarabiana ary ny fiampangana tsy marina sy mandratra. Mety ho voaisotra eo amin'ny toerana ambony misy azy aza izy, satria tsy nanaiky ny hovidina na hamidy, satria tsy nanaiky handoto ny tanany amin'ny tsy fahamarinana, na notambazana na norahonana. (...)

 Mety ho malemy ny fiheveran'ny olona azy, (...), tsy mendrika ny hitana birao, kanefa tsy mba toy izany ny fijerin'Ilay Avo Indrindra azy. Izay manao tsinontsinona azy no tena tsy manam-pahalalana. Na mety hanenjika ny olo-mahatoky mandritra ny fiainany aza ny tafio-drivotry ny fanaratsiana sy ny fanarabiana, hatramin'ny fahafatesana, Andriamanitra kosa dia efa nanomana ny "Tsara izany" ho azy ireo. Fiainana tsy ahitana fitsaharana na fahafaham-po no vokatry ny fahadalana sy ny faharatsiam-pitondrantena, ary amin'ny farany dia ho ondana mankarary loha eo am-pialana aina. (. • .) Miandry ao ambadik'izany rehetra izany ny fitsarana, sy ny didim-pitsarana farany tsy azo ovana manao hoe: "Mialà amiko! (..)" 

Efa nametraka ohatry ho an'ny mpanara-dia Azy ny Zanak' Andriamanitra. Tsy natao hila dera amin'ny hafa izy ireo, na hikatsaka fiainam-piadanana sy harena, fa haka tahaka ny fiainam-pahadiovana sy fandavan-tena nananan'i Jesosy, na inona na inona mety ho saran' izany (...) Tsy hanao tsinontsinona ny zon'ny hafa izy. (...) Hoy Ilay Mpanavotra izao tontolo izao: "Mifankatiava hianareo, tahaka ny nitiavako anareo". Raha tsy tanteraka io farany io, dia tsy ho tratra velively ny fenitry ny fivavahana kristianina. — ST, 2 Febroary 1882.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal