Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fehezo ny filana ambany.

Daty
Sabotsy 26 July 2025

"Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin 'ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy." — 1 Pet. 2:11,12.

Mofon’ainna:
Amin'ny fahantomoran'ny fiafaran'ny tantaran'ny tany no hiasan'i Satana amin'ny heriny rehetra tahaka ny nataony tamin'ny Isiraely fahiny. Ny fakam-panahy izay nampiasainy talohan'ny nidirany tao amin'ny Tany Nampanantenaina indrindra ihany no ampiasainy. Hamelatra fandrika eo anoloan'izay milaza azy ho mitandrina ny didin'Andriamanitra sy efa eo amoron'ny Kananan'ny lanitra izy. Hanao izay fara heriny izy hamitahana ireo fanahy sy handavoana ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra amin'ny fanara-raotana ny fahalemeny.

Vonona hanimba amin'ny alalan'ny fakam-panahiny ireo izay tsy mametraka ny filany ambany hofehezin'ny hery ambony kokoa i Satana, ary lotoiny amin'ny filibana ny fanahiny. (...) Tsy voatery ny toetra ambany na maivana no tena kendreny, fa amin'ny alalan'ireo izay manaiky ampiasainy hitaona sy hisarika lehilahy sy vehivavy ho amin'ny fanaranam-po melohin'ny lalàn'Andriamanitra no amelarany fandrika. Ireo mitana andraikitra ara-panahy lehibe, mampianatra ny fitakian'ny lalàn'Andriamanitra, sy manambara teny manokana ny lalàna, izay tafihin'i Satana toy izany, dia izy ireo no ampiasan'i Satana ny herin'ny helo rehetra sy ny anjeliny mba handavoana azy amin'ny fanararaotana ny fahalemeny. Fantany mantsy fa izay meloka amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra, ary dia ho eo ambanin'ny fifehezany tanteraka ilay olona. Iharan'ny fahasimbana avokoa na ny saina na ny fanahy na ny vatana. Akory ny halehiben'ny fandresena azon'i Satana raha ireo iraky ny fahamarinana sy manana fahazavana lehibe, na koa nampiasain'ny Tompo manokana hampandroso ny fahamarinany no lavony! Akory ny fifaliany! Afa-baraka Andriamanitra! (...)

Fantatr'i Satana fa efa tonga ny fotoany. Tsy manam-potoana firy hiasana intsony izy ka hanampatra ny heriny lehibe mba hamandrihana ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny lafin-toetrany izay mampalemy azy indrindra. (...) Mila ambenana tokoa ny saina ary asiana fefy ny fanahy amin'ny alalan'ny taridalan'ny Tenin' Andriamanitra, ka tandremana avokoa ny eritreritra sy ny teny ary ny asa tsirairay mba tsy ho voafitaka hanota. — RH, 17 May, 1887.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal