Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fehezo ny filana ambany.

Daty
Sabotsy 26 July 2025

"Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin 'ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy." — 1 Pet. 2:11,12.

Mofon’ainna:
Amin'ny fahantomoran'ny fiafaran'ny tantaran'ny tany no hiasan'i Satana amin'ny heriny rehetra tahaka ny nataony tamin'ny Isiraely fahiny. Ny fakam-panahy izay nampiasainy talohan'ny nidirany tao amin'ny Tany Nampanantenaina indrindra ihany no ampiasainy. Hamelatra fandrika eo anoloan'izay milaza azy ho mitandrina ny didin'Andriamanitra sy efa eo amoron'ny Kananan'ny lanitra izy. Hanao izay fara heriny izy hamitahana ireo fanahy sy handavoana ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra amin'ny fanara-raotana ny fahalemeny.

Vonona hanimba amin'ny alalan'ny fakam-panahiny ireo izay tsy mametraka ny filany ambany hofehezin'ny hery ambony kokoa i Satana, ary lotoiny amin'ny filibana ny fanahiny. (...) Tsy voatery ny toetra ambany na maivana no tena kendreny, fa amin'ny alalan'ireo izay manaiky ampiasainy hitaona sy hisarika lehilahy sy vehivavy ho amin'ny fanaranam-po melohin'ny lalàn'Andriamanitra no amelarany fandrika. Ireo mitana andraikitra ara-panahy lehibe, mampianatra ny fitakian'ny lalàn'Andriamanitra, sy manambara teny manokana ny lalàna, izay tafihin'i Satana toy izany, dia izy ireo no ampiasan'i Satana ny herin'ny helo rehetra sy ny anjeliny mba handavoana azy amin'ny fanararaotana ny fahalemeny. Fantany mantsy fa izay meloka amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra, ary dia ho eo ambanin'ny fifehezany tanteraka ilay olona. Iharan'ny fahasimbana avokoa na ny saina na ny fanahy na ny vatana. Akory ny halehiben'ny fandresena azon'i Satana raha ireo iraky ny fahamarinana sy manana fahazavana lehibe, na koa nampiasain'ny Tompo manokana hampandroso ny fahamarinany no lavony! Akory ny fifaliany! Afa-baraka Andriamanitra! (...)

Fantatr'i Satana fa efa tonga ny fotoany. Tsy manam-potoana firy hiasana intsony izy ka hanampatra ny heriny lehibe mba hamandrihana ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny lafin-toetrany izay mampalemy azy indrindra. (...) Mila ambenana tokoa ny saina ary asiana fefy ny fanahy amin'ny alalan'ny taridalan'ny Tenin' Andriamanitra, ka tandremana avokoa ny eritreritra sy ny teny ary ny asa tsirairay mba tsy ho voafitaka hanota. — RH, 17 May, 1887.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal